Actualités

Ndremanjary Jean André Manohana ny hifaninanan’ireo kandida 41


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2013

Miteraka resabe ny fihetsiky ny GIC-M amin’ny fandaminana ny krizy eto Madagasikara. Ho an’Atoa Ndremanjary Jean André, Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa azy dia tokony ho fanelanelanana ihany no ataon’ireo iraka tonga teto fa tsy miditra amin-javatra hafa.

Nambarany fa tsy misy mandà fiaraha-miasa amin’ny any ivelany satria tsy afaka hiolonolona irery ny Malagasy. Izay no efa nahavitana ny tondrozotra nifanarahan’ny mpanao politika, hoy izy, ka tsy ankasitrahany loatra ny fanelanelanana ataon’ny FFKM izay mikasa hamory ny mpanao politika indray. Amin’i Ndremanjary Jean André dia ny fandinihana izay fifidianana hatao sy ny fotoana hanatanterahana azy no tokony hivoriana fa tsy hoe : hanao tetezamita vaovao indray. Nilaza ity minisitra ity fa tsy hamaha krizy izany fa fambolena krizy vaovao indray satria tsy voatery hanaiky izany tetezamita vaovao avokoa ny olona rehetra. Mahakasika ny GIC-M ihany hoy izy dia mahagaga satria ny any ivelany indray no milaza fa ny zanaka Malagasy, mahafeno ny fepetra takian’ny lalàna dia ferana ny firotsahany hofidiana ka ilazana fa ranona sy ranona tokony hisitaka.

Firenena taiza teto ambon’ny tany no natao izany ? Amiko dia tsotra, hoy i Ndremanjary Jean André : “avelao hilatsaka any daholo dia ny Malagasy no mifidy azy hoe : ity no tianay dia izay lany eo lany”. Ny zavatra mety hiseho mantsy, hoy ihany ity minisitra ity raha hesorina ireo kandidà telo ireo ka midongy ny mpifidy azy ireo dia ho azo ekena ve ny voka-pifidianana eo ary ho ankatoavin’ny rehetra ve? Tsy azo ekena izany ! Raha misy ny tokony hovaina dia ny andininy faha-9 amin’ny lalàm-pifidianana ka izay kandida te hiala dia avela hiala, ary izay te hanohy manohy fa izay no tsy mampikorontana intsony. Raha ny hevitr’ity minisitra ity moa dia ny fifidianana solombavam-bahoaka na lalampanorenana no atao mialoha.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT