Actualités

Behoririka Magazay sinoa notafihan'ny jiolahy


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2013

Jiolahy telo lahy, mirongo basy mahery vaika "Kalachnikov", no niditra tao anaty magazay iray mpivarotra zavamaneno irony tetsy Behoririka ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin'ny folo ora antoandro, fotoana izay tena mampifanaretsaka ny mpiantsena.

Tsy nisy nisarontava ireo jiolahy fa dia niditra toy ny mpanjifa rehetra ka na ny tao anaty fivarotana aza tsy nahatsikaritra na inona na inona. Tampoka teo anefa dia voaambana basy ny tompon'ny magazay sy ireo tao anaty fivarotana ka tsy nisy nahahetsika. Ny vola avy hatrany no nanontanian'ireo jiolahy, ka nasainy nomena azy daholo na ny tany amin'ireo olona nikasa hividy entana tao anaty magazay aza. Tsy nisy afaka nanao na inona na inona ireo rehetra tao nandritra ny dimy minitra nanatanterahan'izy ireo ny asa ratsiny, ny teny ivelany koa dia tsy nahatsikaritra izay niseho tao anaty magazay fa rehefa nivoaka avy tao ireo jiolahy vao samy nikoropaka nahita azy ireo nandrangaranga ny basin'izy ireo sady nandositra nitsofoka elakalan-trano nihazo an'Ankaditapaka iny. Ny mpitandro ny filaminana moa tonga teny an-toerana ihany saingy efa antsasak'adiny taty aoriana.

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT