Actualités

Fanesorana Lehiben’ny Faritra Miaro tena mafy izy ireo


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2013


Tetika hafa mihitsy no tiana hatao fa tsy mitombina ny filazana anay ho tsy mahavita ny andraikitra sahaninay araka ny fanambaran’ny lehiben’ny Faritra izay hosoloina noho ny tsy fisian’ny vokatra mahafapo. Raha tsy manana traikefa sy tsy mahavita azy tokoa izahay dia volana vitsy dia efa tokony nesorina fa tsy miandry efa-taona aty aoriana. “Nahoana no amin’izao fotoana akaiky fifidianana izao ve vao milaza fa mahita ny tsy mety ny fitondràna. Manahy ny fisian’ny ambadika politika amin’izao resaka fanesorana anay lehiben’ny faritra izao izahay”, hoy izy ireo. Ny tsy fahazakana ny fanohanan’ireto farany ny kandida Hajo Andrianainarivelo no heveriny fa anton’ilay fikasana fanoloana azy. Nanamafy koa anefa ry zareo fa manaiky ny fanapahan-kevitry ny governemanta raha tena mitombina ilay izy. Manaraka izay dia heveriny ho tetika hanaovana hosoka amin’ny fifidianana izao sady ahiana hitarika korontana. Eto afovoantany ihany no misy korontana politika fa milamina avokoa ny faritra rehetra .“Rehefa samy hesorina ihany dia atombohy any amin’ny farany ambany hatramin’ny faratampony izany”, araka ny fanazavan’izy ireo ihany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT