- Alarobia 17 Jolay 2013
Actualités.Fanadinana CEPE Ny lazaolana no tena olan’ireo mpiadina
Ny lazaolana na ny “problème” tamin’ny ankapobeny no tena olan’ireo mpiadina niatrika ny fanadinana CEPE teto an-drenivohitra omaly.
Hamaky ny tohinyNy lazaolana na ny “problème” tamin’ny ankapobeny no tena olan’ireo mpiadina niatrika ny fanadinana CEPE teto an-drenivohitra omaly.
Hamaky ny tohinyFandalinana ny fahitany ny raharaham-pirenena nandritra ny herinandro mahery izay no nentin’ny CT Randriamamizafy Ignace tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Miaka-midina ny tosidrà.
Hamaky ny tohinyTsy misy andro tsy ahenoana vono olona amin’ny tsatok’antsy sy tifi-basy ao Toamasina. Tao anatin’ny herinandro dia efa tranga telo sahady no niseho, dia ilay ramatoa mpampianatra 48 taona eo anivon’ny sekoly tsy miankina “Les Primeveres” sy ilay mpitondra posy ary ilay mpiasan’ny “Sharon Hotel”.
Hamaky ny tohinyTanteraka omaly teto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanadinam-panjakana voalohany na ny CEPE tamin’ity taona 2013 ity. Raha ny vaovao re manerana ny Nosy dia nizotra tamim-pilaminana ny fiatrehan’ireo kilonga 9 hatramin’ny 11 taona ny tontolo andron’ny talata 16 jolay.
Hamaky ny tohinySaron’ny mpitandro filaminana avy amin’ny Zandarimaria tao Andranomanelatra ihany ny entan’ny Tiko izay very tao aminy. Raha ny angom-baovao avy tany an-toerana dia natoby tamina trano iray tao an-toerana ihany ireto entana ireto. Nahatratra telo kamiao ny habetsany izay nahitana vy isan-karazany nampiasaina tao amin’ny ilay “FARM 3”, saika hampidirana ireo omby marobe tao Andranomanelatra
Hamaky ny tohinyTaitra avokoa ny akamaroan'ny mpandeha hiondrana ho any ivelany raha miditra eo amin'ny fiaingana eny Ivato. "Tsy maintsy mandoa ilay haba «Redevance de Sureté Aéronautique ianareo". Mitentina manodidina ny 40.000 Ar isan'olona moa izy ity ary dia tsy mahazo mandeha raha tsy voaloa ity farany.
Hamaky ny tohiny