Ny filahatr’ireo fiarakodia niantsona tety ivelany nanomboka teo anelanelan’ny Paositra sy ny CcEsca ka hatreny amin’ny “rond point” Antanimena dia efa ampy nahafantarana nialoha ny nidirana tao anatiny fa feno hipoka ny efitrano fijerena fety CCESCA Antanimena omaly niangalian’ny tarika Johary ny tsangan’asan’i Barijaona.
Taorian’ny fiangalian’izy ireo ny hira 38 voarakitra tanaty fandaharana niampy ny namerenana nihirana fanindroany ny hira “Vorona” sy “Tsy resy tsy akory” dia mbola naverin-dry Gothliebb sy ny namany an-dalana indray ireo mpijery efa nitanjozotra nivoaka ny efitrano tamin’ny fiangalian’izy ireo fanindroany koa ny “Sompatra”. Raha natao bango tokana dia niainga tamin’ny fifankatiavan’i Barijaona sy Osuzah ny tantara an-tsehatra nentin’i Mahery sy Luc ary i Goth sy ny mpitendriny niaraka tamin’i Lilie sary voarafitra tao anatin’ny lohahevitra 8 izany : Tsiaro, hakanton’ny fitia, zavaboary, manafatra, fanantenana, alahahelo mafy, laingalainga ary tanindrazana. Voatsiahin’i Goth koa ny halatra nataon’i Franck Sinatra ny tsanganasan’i Barijaona nalaza iray. Tafitany an-tsehatra toy ny fanaony koa niainga avy amin’io ny fitarihana ny mpijery ho tia tanindrazana sy hanara-baovao politika an-kehy teny an-tsefatsefany teny. Ny fanampiana an-dRailôla no hetsika manaraka fa miomana, hoy ity mpanakanto feno ity.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.