Trangan-javatra hafahafa no niainan’ny fianakaviana kely iray, izay mipetraka etsy Ambodihady Ambohimanarina ny talata nifoha alarobia lasa teo. Manan-janaka vao enim-bolana mantsy izy mivady, zaza izay nampatoriana teo afovoan’izy ireo kanefa dia nanjavona rehefa maraina ny andro.
Nambaran’i Navalona, renin’ny zaza, fa tamin’ny 2 ora maraina tany ho any izy dia mbola nifoha nampinono io zazakely io kanefa tamin’ny fotoana nifohazan’izy ireo hikarakara sakafo maraina dia tsy teo intsony ilay zaza. Nandritra ny fikarohana azy io eraky ny trano no tsikaritr’izy ireo fa nisokatsokatra ny varavarankely fa tsy nihidy intsony. Ireo mpifanolo-bodirindrina ihany koa rehefa nandeha ny resaka dia nilaza fa nahare olona nigodogodona, izay narahana vovon’alika saingy tsy naharototra azy ireo izany satria nisy fiandrasam-paty teo amin’ny manodidina teo. Manoloana izao tranga hafahafa izao dia nanamafy ny manodidina rehetra fa tokantrano milamina ny azy mivady ireo sady zanany vavitokana rahateo ity nanjavona ity no voalohan-janany. Efa natolotra ireo manampahefana tetsy Anosisoa moa ny raharaha sady nalefa any Tsaralalana ihany koa ka eo am-piandrasana izay mety ho vokatry ny fanadihadiana ny fianakaviana. Tsy nisy olona nanana lonilony tamin’izy mivady ireo ihany koa ny manodidina nandritra ny volana 2 nipetrahany teo Ambodihady araka ny filazan-dRamatoa Rasoanirina Noeline mponina eo an-tanàna. Zavatra nomarihan’ireo mpifanolo-bodirindrina sy ny manodidina kosa ny fisian’ny tsy fifankahazoana loatra eo amin’ny fianakavian’izy mivady ireto. Tsy fantatra, araka izany, na sanatria resaka hala-jaza tahaka ny mahazatra tetsy sy teroa ity tranga ity na koa mamofom-pofona halatra taova. Ny fahaizamanaon’ny mpitandro ny filaminana no antenaina hamaha ireo fanontaniana saro-baliana ireo.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.