Sprinter sy kamiao nifandona

> Mpandeha fito maty tsy tra-drano tamin’ny RN6 omaly


  • Alatsinainy 16 Septambra 2013


Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena faha-6, 45km mialoha ny hahatongavana ao Ambanja raha hianavaratra omaly. Fiara Sprinter nitondra mpandeha hihazo an’Antsiranana no voalaza fa nifanehitra tamina kamiao. Mafy ny fifandonana satria dia mpandeha fito no indray maty tsy tra-drano. Maro ny naratra mafy ary nentina namonjy ny klinika Saint Damien ao Ambanja. Araka ny fantatra omaly hariva dia maty ny dimy tamin’ireo naratra tonga tao vokatry ny halehiben’ny fahavoazana, na natao aza ny ala nenina rehetra. Tafakatra 12 ny isan’ireo namoy ny ainy tamin’ity loza ity, anisan’izany ny mpamily. Nisy vazaha vavy iray koa tamin’ireo nindaosin’ny fahafatesana. Isa vonjimaika ihany anefa io.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT