Mahajanga

> Nirehitra ny Lapan’ny fitsarana


  • Alatsinainy 16 Septambra 2013


Hataraina ny an’ny mponin’i Mahajanga omaly raha nahita sy nandre fa nirehitra ny Lapan’ny Fitsarana. Nisy birao dimy rotiky ny afo, ka anisany ny birao fiasan’ny Lehiben’ny fampanoavana, izay potika ravan’ny afo tanteraka. Tao rahateo no voalaza fa niaingan’ny afo, tokony ho tamin’ny folo ora alina tany ary nitatra tany amin’ny biraon’ny firaketan-draharaha sy ny biraon’ireo mpampanoa lalàna. May kila tao ny fitaovana maro toy ny ordinatera sy latabatra mbamin’ny seza, ankoatra ny taratasim-pitsarana. Ireo dosie sendra tany amin’ny lehiben’ny fampanoavana noho ireo an-dalam-pandinihana no tsy may. Efa nanodidina ny tamin’ny telo ora maraina tany vao voafehy tanteraka ny afo, ary voalaza fa nahenoana fofon-dasantsy tao amin’ireo birao may. Nosokafana avy hatrany moa ny fanadihadiana, ary dia nohamafisina ihany koa ny fiarovana ity tranom-panjakana ity.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT