Augustin Andriamananoro

> Misisika mafy ho PDS-n’Antananarivo Renivohitra


  • Alatsinainy 16 Septambra 2013


Tsy mbola misy olona voatendry ofisialy hatreto ho eo amin’ny toeran’ny PDS-n’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra taorian’ny fametraham-pialan’ny kandidà filoham-pirenena Edgard Razafindravahy nitana izany toerana izany na dia maro aza ny anarana efa mandehandeha any ho any fa mety hotendrena ho eo. Iray amin’ireny ary misisika mafy mihitsy amin’ny fifanarahana etsy sy eroa i Augustin Andriamananoro, Tale jeneralin’ny Omert am-perinasa sady filohan’ny Filankevi-pitantanana orinasa lehibe eto amin’ny firenena ihany koa. Tsara toerana ny lehilahy satria akaiky ny filohan’ny tetezamita amin’ny maha mpanolotsaina manokan’ity farany azy izay Ben’ny tanàna farany teto Iarivo. Mampanontany tena ny mpanara-baovao kosa anefa etsy an-kilany fa anisan’ny tsy mampandroso an’ity firenena ity sady nitakiana ny fanovana tamin’ny taona 2009 ny fivangongoana andraikitra raisin’ity mpanao politika mpanohana ny fitondrana tetezamita ity, ary tsy izy irery fa maromaro izany eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana ankehitriny. Dia ho lany olomanga tokoa ve i Madagasikara sa be olona miavaka mahay ny zavatra rehetra toy ny robot ?

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT