• Alatsinainy 28 Oktobra 2013
Mpanara-maso avy amin’ny SADC
Mangataka ny tsirairay mba hanaja ny voka-pifidianana izay hivoaka eo

Fisaorana sy fankasitrahana ireo kandida miaraka amin’ireo mpanohana azy ireo isanisany ka nitandrovan’izy ireo toy ny anakandriamaso ny filaminana sy ny fandriampahalemana nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny andron’ny fandatsaham-bato no nisongadina tamin’ny tatitra nataon’ny filankevitry ny sehatra tsy miankina avy amin’ny SADC ny sabotsy 26 oktobra 2013 lasa teo teny amin’ny hotely Colbert.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 28 Oktobra 2013
Mpanara-maso vahiny
Nilamina ny fifidianana

Samy nanamafy ireo iraka mpanara-maso vahiny na ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina na ny SADC na ny Frankôfônia na avy amin’ny EISA fa nizotra tam-pilaminana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany tamin’ny zoma 25 oktobra lasa teo na dia nisy aza ny olana maro samihafa.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 26 Oktobra 2013
Akon’ny fifidianana manerana ny Nosy
Ampy nakan’ireo kandidà rehetra lesona tsara

Tontosa ihany na dia efa nampanahy ny maro aza ilay fifidianana nolazain’ny mpanao politika maro fa natao amboletra. Na dia voalaza fa nilamina aza nanerana ny Nosy dia niraisan’ny toerana maro mba tsy hilazana fa saika isaky ny birao fandatsaham-bato rehetra ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana sy ny tsy fahazoan’ny mpifidy maro kara-pifidianana.

Hamaky ny tohiny
FTT