Fisaorana sy fankasitrahana ireo kandida miaraka amin’ireo mpanohana azy ireo isanisany ka nitandrovan’izy ireo toy ny anakandriamaso ny filaminana sy ny fandriampahalemana nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny andron’ny fandatsaham-bato no nisongadina tamin’ny tatitra nataon’ny filankevitry ny sehatra tsy miankina avy amin’ny SADC ny sabotsy 26 oktobra 2013 lasa teo teny amin’ny hotely Colbert.
Tsy nisorona kosa ireto mpanara-maso vahiny ireto nilaza fa nanana fotoana malalaka tsara ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita nanomanana araka ny tokony ho izy iny fifidianana filoham-pirenena notanterahana ny zoma 25 oktobra izay efa nihemotra im-betsaka iny nefa mbola hita ihany ireo lesoka izay nisy akony goavana tamin’ny tsy nahafahan’ireo mpifidy maro dia maro naneho ny zony sy ny heviny tamin’ny fomba demokratika. Tao ireo olom-pirenena feno taona izay noverezin-jo mihitsy satria tsy voasoratra tao amin’ny lisi-pifidianana mihitsy. Tao ihany koa ireo nahazo kara-pifidianana nefa tsy hita tao anaty lisitra ary voamarika nandritra ny fidinana ifotony nataon’ireto mpanara-maso avy amin’ny SADC ireto ny fahitan’izy ireo ny tsy fifanarahana teo amin’ny lisitra sy ny kara-pifidianana. Tsy voaomana tsara ireo mpikambana tao amin’ireo birao fandatsaham-bato ary tsy nahatontosa ireo andraikitra notakiana tamin’izy ireo, hoy ity filankevitry ny mpanara-maso vahiny ity. Efa nisy, ohatra, ireo bileta tokana efa naforitra mialoha ny fotoana fandatsaham-bato teny amin’ny Ditrikan’Atsimondrano ary misy ireo mpikambana misahana ny fifidianana no tsy mitondra karatra famantarana azy ireo, araka ny tatitr’izy ireo ihany. Mangataka ny tsirairay mba hanaja ny voka-pifidianana izay hivoaka eo ity vondron’ny mpanara-maso avy amin’ny SADC ity. Raha misy kosa ny tsy fanekena izany dia misy ireo fombafomba rehetra efa voalazan’ny lalàna momba izany ao anatin’ny filaminana tanteraka. Nanome soso-kevitra ny CENI-T ity filankevitra ity ny hanitsiana ara-potoana ireo lesoka rehetra ary niantso ny mpitondra mpanatanteraka hanome ny hoenti-manana amin’izany mba ahafahan’ireo noverezin-jo manatanteraka ny adidiny amin’ny fandatsaham-bato manaraka miaraka amin’ny fanabeazana olom-pirenena mifanaraka amin’izay.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.