Mpanara-maso vahiny

> Nilamina ny fifidianana


  • Alatsinainy 28 Oktobra 2013

Samy nanamafy ireo iraka mpanara-maso vahiny na ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina na ny SADC na ny Frankôfônia na avy amin’ny EISA fa nizotra tam-pilaminana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany tamin’ny zoma 25 oktobra lasa teo na dia nisy aza ny olana maro samihafa.

Ny avy ao amin’ny Sadc raha nanao tatitra momba ny fanaraha-maso ny fifidianana omaly dia nilaza fa sarotra ny mety hisian’ny hosoka sy hala-bato noho ny fisian’ny solontenan’ireo kandida tany amin’ny birao fandatsaham-bato sy ny fanatrehan’ny vahoaka ny fanisam-bato. Niantso ireo rehetra manana fitarainana na fanakianana ny SADC mba hanao izany araka ny lalàna sy hanaja ny rafitra efa napetraka. Niaiky Rtoa Maria Muniz de Urquiza, lehiben’ny delegasion’ny mpanara-maso avy amin’ny Vondrona Eoropeanina fa nisy ny olana sy tsy fetezana nandritra ny andron’ny fifidianana. Na izany aza, azo ambara fa mangarahara sy mahafeno ny fepetra iny fifidianana iny raha jerena araka ny masontsivana apetraky ny Vondrona Eoropeanina, hoy hatrany izy. Ny vondron’ny mpanara-maso avy amin’ny fikambanamben’ireo firaisamonim-pirenena Malagasy izay miara-miasa amin’ny SADC na ny SADC-CNGO kosa dia nanindry mafy fa tokony hisy ny fanadihadiana lalina atao momba ireo tsy fetezana sy olana rehetra nitranga nandritra iny fifidianana iny, ary ireo rehetra manana fitarainana dia tokony hametraka izany eny amin’ny rafitra voatondron’ny lalàna fa hanaovana izany, dia ny fitsarana manokana momba ny fifidianana na ny CES etsy Ambohidahy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT