Tontosa ihany na dia efa nampanahy ny maro aza ilay fifidianana nolazain’ny mpanao politika maro fa natao amboletra. Na dia voalaza fa nilamina aza nanerana ny Nosy dia niraisan’ny toerana maro mba tsy hilazana fa saika isaky ny birao fandatsaham-bato rehetra ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana sy ny tsy fahazoan’ny mpifidy maro kara-pifidianana.
Nisy fahafatesana filoham-pokontany iray mihitsy aza moa tany Benenitra Toliara tany izay voalaza fa voatifitra mihitsy. Raha ny ampaham-bokatra vonjimaika azo avy amin’ny fifandraisana mivantana tamin’ireo namana manerana ny Nosy sy izay natrehan’ny mpanao gazety nivantana teto Antananarivo sy ny manodidina dia tena azo hilazana fa ampy nakan’ireo kandidà 33 nandray anjara lesona goavana. Teto Antananarivo-Renivohitra manokana sy Atsimondrano ary Avaradrano dia mbola tsy niova ny latsabato fanaon’izy ireo. Nilaozan’ny kandidà nantsoina hoe mpanohitra (Dr Robinson Jean Louis) alavitra be ireo kandidà rehetra (écrasés avokoa hoy ny fomba fiteny). Tsy nahomby ny angoa-tenda, fizarana tee-shirt, fampijerevana rindran-kira raha atao bango tokana. Tsy nisy nihaino koa mba tsy hilazana ny fitenin’ny tanora hoe « misy mihaino » ny fitanisana fotokevitra fampandrina adrisa isan-tsokajina fa be tamin’ny kandidà nanao izany no tsy nitoko mihitsy tany amin’ireo birao fandatsaham-bato maro tamin’ireo distrika telo ireo. Mbola nazava ny fitarihana vonjimaika hoan’ny kandidà Robinson 33 tany amin’ny tanànan’i Moramanga sy Antsirabe Vakinankaratra Antampon-tanàna (vita ny ady hoy ny any an-toerana, fa veloma ry mpanongam-panjakana). Veloma ho’aho, hoy ny avy any Itasy (niainga avy eo Imerintsiatosika nandalo an’Arivonimamo ka hatrany Miarinarivo sy Soavinandrina sy nipaka hatrany Tsiroanomandidy (mbola nisongadina ny 33 tany). Raha nahery ny fandresen-dahatra tamin’ny Tee-shirt sy ny rendrarendra amam-bola tany Toliara sy Atsimo Andrefana maro ary koa tany Ihorombe ka nitarihan’ny kandidà Camille Vital sy Hery Rajaonarimampianina ary Edgar Razafindravaha an’isa vonjimaika dia mbola nibata fandresena ihany kosa ny kandidà Robinson Jean Louis tany Ranohira sy Ilakaka. Ka inona izany izao no ambaran’ireo mpanandrakandran-tsira ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.