• Alatsinainy 28 Oktobra 2013
Alika romotra
Olona fito no indray voakaikiny

Olona fito no voakaikitry ny alika romotra iray tao Mangarivotra, Fokontany iray ao an-tampon-tanànan'i Moramanga ny sabotsy 26 oktobra antoandro teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 28 Oktobra 2013
Fanarenana ny RN5
Ny Mainland no miantoka ny vola

Fantatra izao fa ny orinasa Mainland Mining no miantoka ny vola 4 miliara Ariary hanarenana ny lalam-pirenena faha-5, miainga eo Ambalamanasy hatrao Mahavelona Foulpointe PK56.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 28 Oktobra 2013
Fitantanam-bolam-panjakana 2013
Fatiantoka 166 miliara Ariary tao anatin’ny enim-bolana voalohany

Nahatratra 166 miliara Ariary ny vola tsy ampy teo anivon’ny fitantanam-bolam-panjakana nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2013 ity, hoy ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 28 Oktobra 2013
Iraka mpanara-mason’ny Vondrona Eoropeanina
Naneho tao anaty fahatoniana ny faniriany hivoaka ny Tetezamita ny Malagasy

Nampahafantarin’ny Lehiben’ny Iraka mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (MOE UE), Ramatoa Maria Muñiz de Urquiza, izay mpikambana ao amin’ny Antenimiera Eoropeanina, omaly ny fehiny mialoha avy amin’ny MOE UE momba ny fifidianana Filoham-pirenena tontosa ny Zoma 25 oktobra lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 28 Oktobra 2013
Anosizato Atsinanana
Lehilahy iray maty ho azy tao an-tsena

Tsy fantatra izay nahazo ity lehilahy iray tsy mbola tena zokiny loatra fa mbola antonony ara-taona ihany fa dia nitsitra ho azy tao an-tsenan’ny Fokontanin’Anosizato Atsinanana tao ny sabotsy marainan’ny 26 oktobra teo ary dia maty sy nihetsika intsony avy eo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 28 Oktobra 2013
Mpanakalo devizy voatafika
Lasan’ny jiolahy mitam-basy ny vola 60 tapitrisa Ar

Mihantsy ny mpitandro ny filaminana ireo andiana jiolahy mpitondra basy raha ny zava-misy ao Toamasina.

Hamaky ny tohiny
FTT