Nahatratra 166 miliara Ariary ny vola tsy ampy teo anivon’ny fitantanam-bolam-panjakana nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2013 ity, hoy ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena.
Toe-javatra tena ratsy ho an’ny firenena tokoa satria tarehimarika mihoatra lavitra amin’ny vinavina mandritra ny taona tokony hitentina 141 miliara Ariary, raha ny voarakitra ao amin’ny tetibolam-panjakana 2013. Tsotra ny fanazavana nomen’ny Banky Iraisam-pirenena izany : tsy tratra ny fampidiram-bola novinavinaina no sady tsy nampihatra fitsitsiana ny mpitondra fanjakana. Niharatsy ny fampidiran-ketra satria ny 84%-n’ny vinavinan’ny tetibola ihany no niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana. Nandritra ny enim-bolana voalohany dia nitentina 220 miliara Ariary ny fatiantoka izay mifanandrify amin’ny tetibola filana ho an’ny mpiasam-panjakana mandritra ny 2 volana na koa fampiasam-bola anatiny voasoratra ao amin’ny tetibola 2013. Manify ny fidiram-bola ary ny zava-misy rahateo tsy manampy ny toekarena hiroborobo. Ambany ny haba niditra nihoatra ny tamin’ny taona 2012 satria nidina ho 2% ho an’ny fanafarana entana ivelan’ny vokatra solika ary niiba 5% ireo haba voaangon’ny sampandraharaha ankapoben’ny hetra. 57% ny vola niditra tamin’ireo vokatra solika izany zara raha nihoatra kely ny antsasa-manilan’ny vinavina. Hita ao anatin’ity fanadihadiana navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena ity ihany koa amin’izao fotoana izao dia ireo fandaniana laharam-pahamehana isaky ny ministera toy ny karamam-panjakana sy ny fisotroan-dronono sisa no mandrafitra ny tetibola.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.