Anosizato Atsinanana

> Lehilahy iray maty ho azy tao an-tsena


  • Alatsinainy 28 Oktobra 2013

Tsy fantatra izay nahazo ity lehilahy iray tsy mbola tena zokiny loatra fa mbola antonony ara-taona ihany fa dia nitsitra ho azy tao an-tsenan’ny Fokontanin’Anosizato Atsinanana tao ny sabotsy marainan’ny 26 oktobra teo ary dia maty sy nihetsika intsony avy eo.

Araka ny fitantaran’ny mponina teny an-toerana dia irony antsoina hoe SDF irony na olona tsy manan-kialofana, hoy isika, ity rangahy ity ka mivenjivenjy eny rehetra eny sy ao amin’ity tsena ity no anton-draharahany isan’andro. Mbola tazan’ny olona nivezivezy toy ny fanaony izy ny maraim-ben’io andro sabotsy io nefa dia io maty tampoka io rehefa tonga ny antoandro. Raha ny tomban’ny teny an-toerana ihany dia toa harerahana noho ny hanoanana ny anton’izao nahafaty ity lehilahy ity izao. Elaela ihany moa, araka ny fanazavana azo vao tonga naka ny razana teny an-toerana ny BMH tompomarik’itony trangan-javatra itony.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT