Alika romotra

> Olona fito no indray voakaikiny


  • Alatsinainy 28 Oktobra 2013

Olona fito no voakaikitry ny alika romotra iray tao Mangarivotra, Fokontany iray ao an-tampon-tanànan'i Moramanga ny sabotsy 26 oktobra antoandro teo.

Ankizy handeha hiantsena ny roa tamin’ireo voakaikitra ary ny roa vehivavy lehibe mivahiny eo an-tokotanin'ny fianakaviany, ny sasany kosa eo am-pivarotana sy teny an-dalana. Saika teny amin'ny tarehy avokoa no novonjen'ilay alika raha ny ankamaroany ary rovitra izay nofo lehibebe tratrany. Nialoha ny nahafahan'ny Fokonolona namono azy dia mbola niady tamin'alika maromaro ity alika ity. Nisy tamin'ireo olona ireo no efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy teny amin'ny tobim-pahasalamana ary misy kosa ny tsy nety ny hanao izany. Tsy fantatra ny tompon'ity alika ity ary anisan'ny mbola mampitebiteby ny fisian'ireo alika niady taminy izay mbola alika mirenireny avokoa. Efa mafana tanteraka ny andro izao ka ahiana ny mety hitomboan'ity aretina ity raha tsy misy ny fijerena haingana.

 

Hary Cathy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT