Iraka mpanara-mason’ny Vondrona Eoropeanina

> Naneho tao anaty fahatoniana ny faniriany hivoaka ny Tetezamita ny Malagasy


  • Alatsinainy 28 Oktobra 2013

Nampahafantarin’ny Lehiben’ny Iraka mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (MOE UE), Ramatoa Maria Muñiz de Urquiza, izay mpikambana ao amin’ny Antenimiera Eoropeanina, omaly ny fehiny mialoha avy amin’ny MOE UE momba ny fifidianana Filoham-pirenena tontosa ny Zoma 25 oktobra lasa teo.

Nanotrona azy tamin’izany ny Filohan’ny Delegasionan’ny Antenimiera Eoropeanina, Atoa Philippe Boulland. Niarahaba ny vahoaka malagasy ny Iraka noho ny fahavitan’ny fifidianana tao anatin’ny fitoniana. “Na nisy aza ny fahasarotana teo amin’ny fanomanana dia nizotra tsara ny latsabato”, hoy Ramatoa Maria Muñiz de Urquiza. Nankasitraka ny ezaky ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana CENI-T nandritra ny fotoana nanomanana ny fifidianana ny Iraka MOE UE. Na teo aza anefa ny fanitsiana ny lisitry ny mpifidy, dia maro tamin’ny olom-pirenena Malagasy no tsy hita akory tao anaty lisi-pifidianana ny anarany. Maro amin’izy ireo anefa no nanana kara-pifidianana. Hanohy ny asany hatramin’ny fiafaran’ny zotram-pifidianana ny Iraka. Misy ny torohevitra mazava novolavolainy ho fanatsarana ny dingana sasantsasany mialoha ny datin’ny 20 desambra, hanaovana ny fihodinana sady hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka. Nanatrika ity tatitra ity ny praiminisitry ny governemanta iraisana Beriziky Jean Omer, ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo, ny filohan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana CES, ny filohan’ny CENIT, ireo mpanaramaso ny SADC, COI ary ny OIF.

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT