Fanarenana ny RN5

> Ny Mainland no miantoka ny vola


  • Alatsinainy 28 Oktobra 2013

Fantatra izao fa ny orinasa Mainland Mining no miantoka ny vola 4 miliara Ariary hanarenana ny lalam-pirenena faha-5, miainga eo Ambalamanasy hatrao Mahavelona Foulpointe PK56.

Ny orinasa SMATP no manao ny asa rehetra. Araka ny nohamafisin’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana dia misy ny komity natsangana hiarahan’ny ministeran’ny asa vaventy sy ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany ary ny Faritra roa dia Atsinanana sy Analanjirofo izay miampy ny eo anivon’ny orinasa Mainland Mining, izay hanara-maso ny firoson’ny asa sy ny fitantanana ny vola. Haharitra 105 andro ny asa fanamboarana izay heverina ho vita ny volana desambra izao. Tsy maintsy ampiasaina anefa ny lalana mandritra ny taom-piotazana lodsia izay mahatonga ny fanenjehana ny asa fanarenana efa mananiky ny 40% amin’izao fotoana izao, araka ny tatitry ny orinasa manao ny asa. Efa fanintelon’ny fanombohan’ny fanamboarana ny RN5 izao izay hirarian’ny mpampiasa ny lalana sy ny mpikirakira ny lodsia fa mba “tena ho vita” amin’izay.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT