- Zoma 06 Septambra 2013
Actualités.TAPATAPANY
Hamaky ny tohiny
Tena mbola mitohy ny trafikana andramena. Samy manamafy izany na ny olona mipetraka amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy iny na ireo fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana miaro ny tontolo iainana, na ireo filazam-baovao vahiny, tsy mitsipaka an’io koa ny mpitondra tetezamita.
Hamaky ny tohinyMalaza sady mahazo vahana ankehitriny ny fiondranan’ny tanora Malagasy mitady asa any ivelany. Misy moa ireo firenena voarara ny fandefasana mpiasa any aminy noho ny fampijaliana mahazo ireo Malagasy sasany any an-toerana, anisan’ireny i Liban.
Hamaky ny tohinyNitrangana fanafihana mitam-basy indray tao Valpinson Toamasina ny talata 03 septambra teo tokony tamin’ny mitatao vovonana. Araka ny angom-baovao teo anivon’ny polisy misahana ny hery vonjy taitra Toamasina, dia jiolahy roa tsy misaron-tava samy nitondra basy poleta no nanafika ny “villa” iray.
Hamaky ny tohinyMaty voatifitry ny Emmo-Reg noho ny fikasany hitsoaka (?) tamin’ny lalam-pirenena faha-05 i Gae sy Ralava, jiolahy nikoizana nampihorohoro tao Toamasina sy Foulpointe iny.
Hamaky ny tohinyRaha ny antontan’isa dia manodidina ny 80%-n’ny mponina any amin’ny Distrikan’i Toliara II no mbola manao maloto ankalamanjana ary vitsy manana lavapiringa. Mitsitokotoko etsy sy eroa ny diky.
Hamaky ny tohiny