Mararin’ny diabeta

> Mitombo isa andro aman’alina


  • Zoma 15 Novambra 2013


Tsy mitsaha-mitombo isa ny olona voan’ny diabeta maneran-tany, voakasik’izany koa i Madagasikara. Ankalazaina isan-taona isaky ny 14 novambra ny andro manerantany iadiana amin’ny diabeta, ary raha ho an’i Madagasikara manokana dia misy mihitsy fikambanana manao ho anton-draharaha miady amin’ny fihanak’izy io dia ny AMADIA na Andia Malagasy Miady amin’ny Diabeta, izay manana ny foibeny etsy Faravohitra izany. Toa asa very maina fotsiny anefa ny ezaka hifehezana ny tsy hihanahan’ity aretina ity, satria raha 371 tapitrisa ny olona manana ity toe-tena diabetika tamin’ny 2012 manerantany dia tombanana ho 382 tapitrisa izy tamin’ity 2013 ity, ary betsaka amin’ireo no matavy vondraka mila tsy ho afa-mihetsika. Amin’ny 2035 aza dia mety hiakatra hatrany amin’ny 592 tapitrisa ny olona manana ity toe-tena diabetika ity, raha tsy mahatandrin-tena. Mety mitarika amin’ny fahajambana ny diabeta, eo koa ireo sarotim-pery. Ny 99% ny areti-maso katarakta dia ny diabeta no mahatonga azy, ny antsasa-manilan’ny olona tapaka lalan-dra dia diabetika avokoa, ary ny ankamaroan’ny olona marary voa dia vokatr’io diabeta io ihany koa. Ampahan’ny voka-dratsy ateraky ny diabeta ihany ireo. Ao Toamasina izao dia hisy ny fananganana ivo-toerana momba ny maso sy ny diabeta, hiarahan’ny AMADIA sy ny Lions Club

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT