Famonoana ny Dr Laivao

> Hotsaraina amin’ny alatsinainy 18 novambra izao


  • Zoma 15 Novambra 2013


Raharaha anisan’ny be mpiandry ny fitsarana ilay raharaha namonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny Dr Laivao Michel Victori, ny alin’ny 5 hifoha ny 6 aprily 2011. Raha nandinika ny antontan-taratasin’ady ny fampanoavana ambonin’ny Fitsarana ambony ao Toamasina, dia  voalahatra hotsaraina amin’ny alatsinainy 18 novambra izao ity raharaha ity. “Famonoan’olona niniana natao sy firaisana tsikombakomba tamin’ny halatra fiara 4x4” no heloka hanenjehana ireo voarohirohy amin’ity raharaha ity, izay azo inoana fa hisy famoaham-baovao henjana. Ankoatra izay, miisa 76 ny antontan-taratasin’ady hiakatra fitsarana ady heloka manomboka ny alatsinainy izao io, izay tsy hifarana raha tsy ny 12 desambra valo andro mialoha ny fialan-tsasatry ny fitsarana Malagasy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT