Trano Koltoraly Malagasy

> Manana ny foibe nasionaliny


  • Zoma 15 Novambra 2013

65 taona nijoroana ! Manana ny foibe nasionaliny manara-penitra ho amin’ny fikarohana sy fitahirizana ny fomba amam-pahendrena malagasy sy maneran-tany, miorina, eny Ikianja Ambohimangakely ny Trano Koltoraly Malagasy ankehitriny.

Tazana ao amin’ity foibe ity ny efitrano manokana ho amin’ny fitahirizana ireo tahirin-kevitra sy ireo fitaovana isan-karazany mirakitra ny lasa tsy mba fanadino ho fanoitran’ny hoavy, ny fanaovana vela-kevitra, fampirantiana… Samy ho tazana eny an-toerana ireo fomba amam-pahendrena mampiavaka ny isam-paritra sy ny avy any ivelany. Tsy mialonjafy rahateo ny foibe nasionaly fa misokatra ho an’ireo mpikaroka maniry hiaraka hiasa amin’izy ireo sy ireo olon-tsotra liana hahafantatra ny fomba amam-pahendrena malagasy marolafy toy ny fanandroana, famadihana, fanambadiana Malagasy, lamba Malagasy, fanorona, katro… Anisan’ny nanaitra ny Tia Tanindrazana tamin’ny fitsidihana ity foibe nasionalin’ny Trano Koltoraly Malagasy, etsy Ikianja Ambohimangakely ity ny fahitana ireo karazan-javamaniry misy eto Madagasikara izay azo atao fanafody ary mitondra hasina ihany koa ho an’ny tsirairay. Raha fintinina, ny hitari-dalana ny isam-batan’olona hahalala ny fomba Malagasy amn’ny alalan’ny voka-pikarohana ka tsy hanaotao foana no anisan’ny tombony goavana ho amin’ny fijoroan’ity foibe ity. Anio zoma no hisokatra amin’ny fomba ofisialy, eny Ikianja Ambohimangakely, ny foibe nasionalin’ny Trano Koltoraly Malagasy.
 
Lalasoa R.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT