Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 15 Novambra 2013


Minisitra dimy teo anivon’ny governemanta no tonga tetsy Anosikely niatrika ny mpikambana amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy namaly ny fanontanian’izy ireo omaly. Anisan’izany ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola sy ny minisitry ny foloalindahy. Tsy tonga ny praiminisitra. Tsy nalefa nivantana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana koa ny fihaonana.

 

Pretra frantsay iray, Georges Vandenbeusch, «curé» ao amin’ny paroasin’i Nguetchewe any amin’ny tendrony avaratr’i Cameroun no nisy naka ankeriny ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy teo. Hatreto dia tsy mbola nisy nitonona ho tompon’antoka tamin’izao fakana ankeriny izao.

 

Mpividy omby iray no notafihin’ny jiolahy tany amin’ny hotely nitoerany tany Ihosy ny zoma lasa teo. Tsy nisy ny aina nafoy saingy lasan’ireo olon-dratsy ny vola 20 tapitrisa Ariary saika hividianana omby ny sabotsy.

 

Maina ny andro any amin’ny Faritra Sofia. Mihantona ny rotsarak’orana. Misedra fahasahiranana noho izany ireo mpiompy indrindra ny omby noho ny tsy fahampian’ny rano.

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT