• Alakamisy 13 Febroary 2014
Actualités.TAPATAPANY

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 12 Febroary 2014
11 febroary
Notsaroana manokana ireo zandary lavo am-perinasa

Nanamarika tamim-pomba miavaka ny andron’ny 11 Febroary araka ny fanapahan-kevitry ny komandin’ny Zandarmariam-pirenena ho fahatsiarovana ny nahalavoan’ireo fahavalom-pirenena ny mahery fo manamboninahitra voalohany ny Kolonely Ratsimandrava 39 taona lasa izay sady nahatsiarovana koa ireo zandary lavo tamperin’asa rehetra.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 12 Febroary 2014
Fitantanana kaontim-panjakana
Nozaraina tany Ouagadougou ny traikefa Malagasy

Nanatanteraka fivoriambe tany Ouagadougou, Burkina Faso ny fikambanana iraisam-pirenen’ny Tahirimbolam-panjakana. Voaasa tamin’izany koa ny Tale jeneralin’ny Tahirim-bolampanjakana Malagasy izay sady filohan’ny fikambanana iraisam-pirenen’ireo Tahirim-bolam-panjakana amin’ity 2014 ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 12 Febroary 2014
Jaona «Elite»
“Nantsoina hitantana minisitera aho fa nolaviko”

Mivoatra haingana tokoa ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Mba tsy haha tompon-trano mihono ny vahoaka Malagasy dia nasaina niresadresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ny solombavambahoakan’i Madagasikara, Randriarimalala Jaona na Jaona «Elite» voafidy tao Atsimondrano hizara ny fomba fahitany ny raharaham-pirenena ankehitriny. Resadresaka.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 12 Febroary 2014
Tombontsoa eny Tsimbazaza
Nitondra fanazavana ireo ao amin’ny Birao maharitra

Efa nandray ny karama sy taratasin-tsolika volana janoary 2014 raha ny fanazavana azo ireo mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita. Mbola baraingo anefa, ho azy ireo, ny fandraisana an’ireo tombontsoa ireo amin’ity volana febroary ity na dia efa nolazain’ny minisitry ny vola sy tetibola aza fa amin’ny 18 febroary izao vao mitsahatra tanteraka ny asan’izy ireo.

Hamaky ny tohiny
FTT