Fitantanana kaontim-panjakana

> Nozaraina tany Ouagadougou ny traikefa Malagasy


  • Alarobia 12 Febroary 2014

Nanatanteraka fivoriambe tany Ouagadougou, Burkina Faso ny fikambanana iraisam-pirenen’ny Tahirimbolam-panjakana. Voaasa tamin’izany koa ny Tale jeneralin’ny Tahirim-bolampanjakana Malagasy izay sady filohan’ny fikambanana iraisam-pirenen’ireo Tahirim-bolam-panjakana amin’ity 2014 ity.

Fifanakalozana sy fifampizarana traikefa momba ny fitantanana ny kaontim-panjakana no natao nandritra ny efarana nanomboka ny 03 hatramin’ny 07 febroary. Ny fanavaozana nampiharina tamin’ny Tahirim-bolam-panjakana natao tao anatin’ny 5 taona no nifantohan’ny fanazavana nentin’i Robimanana Orlando tamin’io. Nohazavainy fa tena ilaina tokoa ny serasera mba tsy hahatompon-trano mihono ireo mpiara-miasa rehetra amin’ny zava-misy. Niova tokoa mantsy ny resaka fitantanana volam-bahoaka izay mitaky vokatra mivaingana. Amin’ny maha filohan’ny AIST an’i Robimanana Orlando koa dia nihaona manokana tamin’ireo tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana avy amina firenena maro ny tenany ary ny fandinihana izay lohahevitra iadian-kevitra mandritra ny fivoriambe faha-8 hatao eto Madagasikara amin’ny volana Novambra no ventin-dresaka. Ankoatra io dia fantratra nandritra ity fihaonana tany Ouagadougou ity koa fa hanasonia fifanekem-piaraha-miasa amin’ny “Direction Générale des Finances Publiques” ny tenany momba ny fiarovana ny volam-bahoaka sy ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny asa rehetra sahanina.

 

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT