Mivoatra haingana tokoa ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Mba tsy haha tompon-trano mihono ny vahoaka Malagasy dia nasaina niresadresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ny solombavambahoakan’i Madagasikara, Randriarimalala Jaona na Jaona «Elite» voafidy tao Atsimondrano hizara ny fomba fahitany ny raharaham-pirenena ankehitriny. Resadresaka.
Tia Tanindrazana (T.T) : Aiza ho aiza izao no toerana misy an’ny solombavambahoaka Randriarimalala Jaona ?
Randriarimalala Jaona (Jaona «Elite») : Ny fikambanana tsy miankina «Fanasina Fampandrosoana ho an’Atsimondrano» izay mpanao asa soa ary mijanona eo amin’io sehatra fanampiana ara-tsosialy io no nanolotra an’i Jaona «Elite» tamin’ny fifidianana solombavambahoaka tamin’ny 20 desambra 2013. Efa nambarako tamin’ny fampielezan-kevitra anefa fa tsy maintsy miditra amin’ny vondrona politika iray aho satria mitady fampandrosoana ny tenako. Ny vondrona politika mitovy fomba fijery amin’i Jaona Randriarimalala eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana no idirako. Amin’izay mantsy afaka mitsara an’i Jaona «Elite» ny vahoaka amin’ny asa vita na tsy tanteraka rehefa eo. Taorian’ny fihaonana sy fifampidinihana tamin’ireo vondrona misy rehetra dia efa manana ny vondrona depiote miaraka aminy ny solombavambahoakan’i Madagasikara Jaona «Elite» ankehitriny.
TT : Iza moa izany io vondrona eritreretinao hiarahana miasa ho fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka lazainao io ?
Jaona «Elite» : Talohan’ny fivoahan’ny voka-pifidianana ofisialy ny 06 febroary 2014 teo dia efa nanangana ny «Groupe Parlementaire Spécial» na GPS ivondronana solombavambahoaka miisa 21 izahay ka misy tsy miankina ao ary misy avy amin’ny antoko politika ihany koa. Efa nisy koa ny fihaonana tamin’ny HVM tarihin’ny filoha Rajaonarimampianina Hery sy ny MAPAR miaraka amin’i Andry Rajoelina ary koa ny MMM sy ny MTS. Nisongadina tamin’ireo ny hetahetanay GPS ny mba hahazoanay minisitera miisa telo satria mihevitra izahay fa depiote valo dia tokony hahazo minisitera iray. Nangataka ihany koa ny GPS mba ho filohan’ny vaomiera miisa enina eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ary filoha lefitra roa avy eto Antananarivo sy Toliara. Ny vondrona MAPAR ihany no nanome valiny mahafa-po anay hatramin’izao ka izay no mahatonga ilay vondrona matanjaka voalazan’ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenana. Eo indrindra no asiako fanamarihana kely ny hoe fa maninona moa no lazaina fa mamadika i Jaona «Elite» rehefa miaraka amin’ny MAPAR nefa na ny filoham-pirenena teo aloha Ravalomanana Marc aza anie ka manaiky ny maha filoham-pirenena an’i Hery Rajaonarimampianina e ? Te hisarika ny sain’ny olona ihany koa aho hoe Randriarimalala Jaona dia nofidian’ny olom-pirenena tamin’ny fandaharanasa izay narosony miompana amin’ny lohahevitra fampandrosoana miisa 7. Ny lojikan-javatra anie io miseho io satria mazava ho azy fa raha i dokotera Robinson Jean Louis miaraka amin’ny ankolafy Ravalomanana no maro an’isa teo dia tsy nisy fisalasalana ihany koa ny fiaraha-miasa teo aminay sy izy ireo ary izay mihitsy no tao anatin’ny kajikajy saingy izao moa no zava-misy. Efa niresaka sy nifampidinika tamin’ny vahoaka ihany koa ny tenako ary ny 70%-n’izy ireo dia tsy miova hevitra.
TT : Hijanona ho depiote ve i Jaona «Elite» sa hisahana minisitera ?
Jaona «Elite» : Tsara izay fanontanianao izay ! Ny tenako dia tsy hivadika amin’ny vahoaka ary efa nanambara ihany koa aho fa tsy mety amin’ny mpandraharaha ny miasa ao amin’ny fahefana mpanatanteraka fa manjary mikirirakira volam-bahoaka ka manahirana. Lazaiko aminareo fa efa misy mihitsy ny fiantsoana hitantana minisitera fa nolaviko izany satria mieritreritra ny hitarika ny vaomiera iray ao amin’ny Antenimieram-pirenena aho.
TT : Anisan’ireo mpandraharaha potika orinasa ianao tamin’ny fandrobana niseho ny 26 janoary 2009, hitondra ny hetahetan’ireo niharam-boina ve ianao amin’izao voafidy ho solombavambahoaka izao ?
Jaona «Elite» : Izay indrindra no mahatonga ahy hiady mafy hiditra ho filohan’ny vaomiera hisahana ny toekarena, ny sehatra tsy miankina ary ny taozava-baventy mba hijerena akaiky ny mpandraharaha malagasy. Hangataka amin’ny fanjakana izahay mba hanaovana fanadihadiana ka raha tena mitombina fa voaroba izy ireo dia ilaina ny fanonerana. Etsy an-kilany dia efa manana tolo-dalàna nomanina herintaona mahery izahay mikasika ny lalàna hifehy ireo mpandraharaha vahiny mampiasa vola eto Madagasikara ary irariana mba ho lany amin’ny fivoriamben’ny solombavambahoaka izy io. Ohatra iray azo tsongaina amin’izy io ny famerana ny petra-bola farafahakeliny tokony hampiasaina eto amintsika sy ny isan’ny mpiasa raisina. Tsy maintsy mandalo ao amin’ny kaomisiona aloha ny antontan-taratasy vao mahazo alalana any amin’ny minisiteran’ny Atitany.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.