Nanamarika tamim-pomba miavaka ny andron’ny 11 Febroary araka ny fanapahan-kevitry ny komandin’ny Zandarmariam-pirenena ho fahatsiarovana ny nahalavoan’ireo fahavalom-pirenena ny mahery fo manamboninahitra voalohany ny Kolonely Ratsimandrava 39 taona lasa izay sady nahatsiarovana koa ireo zandary lavo tamperin’asa rehetra.
Nitarika ny lanonana rehetra tao amin’ny fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena ao Toamasina ny Jeneraly Ratsironkavana. Nosantarina tamin’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tao amin’ny aumônerie militaire protestante tao Toamasina izany, narahin’ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangam-bato fahatsiarovana tao an-tokotanin’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao Toamasina.
Notanisaina nandritra ny lanonana ny anaran’ireo namoy ny ainy ho an’ny tanindrazana sy ireo nitondra takaitra tamin’ny asa nataony. Ka sady nentina am-bavaka izy ireny no nangataham-pitahiana ihany koa ireo zandary mbola am-perinasa mba hahavita an-tsakany sy an-davany ny adidy sy iraka ampanaovin’ny tanindrazana azy. Nampahafantarina sy nanentanana ny fianakaviamben’ny zandary sy ny mpanotrona nandritra ity fotoanan’ny 11 Febroary ity ny fijoroan’ilay toby itaizana ireo zaza kambotin’ireo zandary lavo teo am-perinasa. Toy izany koa ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana ny fianakavian’izy ireny. Samy nanao hetsika manokana avokoa ny vondron-tobimparitry ny zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy. Tao Mahajanga dia ny jeneraly Maka Herman no nitarika ny lanonam-pahatsiarovana. Tao Antsirabe dia ny kolonely Maminirina izay nilaza fa tsy maty ao am-pon'ny fianakaviamben'ny zandary ireo maty am-perinasa fa vao mainka mitondra herim-po sy fankaherezana ho an'ny asan'izy ireo izany. Teto Antananarivo dia ny komandin’ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Ravalomanana Richard no nitarika ny lanonam-pahatsiarovana teny Ambohijatovo ambony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.