Efa nandray ny karama sy taratasin-tsolika volana janoary 2014 raha ny fanazavana azo ireo mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita. Mbola baraingo anefa, ho azy ireo, ny fandraisana an’ireo tombontsoa ireo amin’ity volana febroary ity na dia efa nolazain’ny minisitry ny vola sy tetibola aza fa amin’ny 18 febroary izao vao mitsahatra tanteraka ny asan’izy ireo.
Efa hiditra koa mantsy ireo depiote vaovao ary tsy maintsy handray ny tambin-karamany volana febroary satria miditra ny 18 febroary izao. Dia hita eo ny ho tohin’izany fa raha ny mikasika ny taratasin-tsolika fandrain’ireo MCT izay mampisy olana eny Tsimbazaza eny ankehitriny dia nitondra fanazavana misimisy kokoa ny amin’izy io ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny Birao maharitra tafaresaka fohy tamin’ny gazety Tia Tanindrazana omaly. Nambaran’izy ireo fa ny tetibolan’ny taratasin-tsolika ho an’ireo MCT voasoratra ao anaty tetibolam-panjakana dia 200 000 Ariary isam-bolana isan’olona fa ny birao maharitra no nandray fanapahan-kevitra fa tsy ampy izany ka nampitomboanay ho 600 000 Ariary isan’olona. Mazava ho azy, hoy ry zareo ireto, fa tsy mahatody taona izany taratasin-tsolika izany fa ny tetibola tato anatiny no nasiam-panamboarana nampifamenoana tamin’ny tsy ampy. Ny fivoriana tsy ara-potoana atao ireny, hoy ny fanazavana fanampiny, dia tsy ao anaty tetibola ka tokony ho ny governemanta no miantoka ny lany raha vao mampiantso fivoriana. Ny fivoriana tsy ara-potoana nananganana ny CES II farany teo anefa dia tsy niantohan’ny governemanta fa ny teto amin’ny Lapa no niantoka azy ka mazava loatra fa tsy nisy intsony ny fanampiana azo natao tamin’ny taratasin-tsolika volana oktobra sy novambra ary desambra 2013 fa nijanona tamin’ny 200 000 Ariary tamin’izay ireo ary io nahatonga ny fimenomenoman’ireo namana io. Ny andrasana izany raha mbola homen’ny minisitera dia ny anjara volana febroary 2014.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.