Andrasana amin’ity herinandro ity ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana mikasika ny fanendrena ny praiminisitra vaovao izay hatolotry ny antoko na vondrona antoko maro an’isa eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, hoy ny profesora Rakotomanana Honoré. Ilaina io fanazavan-kevitra io mba ialana amin’ny tsy fitoviam-pijery amin’ny fandikana ny andininy faha-54-n’ny Lalàmpanorenana.
Nahazo fanasana hanatrika ny fivoriana an-tampon’ireo filoham-panjakana mpikambana ao amin’ny tsena iombonan’ny faritra atsinanana sy atsimon’i Afrika na Comesa ny filoham-pirenena malagasy Rajaonarimampianina Hery. Fihaonana izay hotanterahana ny 25 hatramin’ny 27 febroary 2014 any Kinshasa.
Ny politikam-pisokafana sy ny fampihavam-pirenena ananan’ny filoha Rajaonarimampianina Hery miampy ny finiavany hanapaka tanteraka ny lasa dia mitondra mankany amin’ny famerenana ny fifampitokisana sy ny fifandraisan’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina, hoy ny solontena ambonin’ity vondrona ity, Catherine Ashton.
Nihaona sy nitafa tamin’ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama ny faran’ny herinandro lasa teo ny minisitry ny Angovo ka nampita ny fanambin’ny mpitondra vaovao ho famaranana ny fahatapahan’ny herinaratra ao anatin’ny telovolana.
Mitsipaka ny hevitra rehetra ho fisintahan’ny fanjakana amin’ny fitantanana ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy ny sendikan’ireo mpiasa.
Maro dia maro ireo sekoly ambaratonga voalohany tsy miankina no tsy manara-penitra, hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Ofisim-pirenena misahana ny fanabeazana tsy miankina. Ny efitra lakilasy iray, ohatra, dia tokony hirefy 5 metatra amin’ny 4 metatra izay tsy voahaja matetika.
Efa mandray ireo marary hatramin’ny fotoana nisokafany ny hopitaly manara-penitra eny Andohatapenaka. Tena manahy ny fahalafosan’ny fitsaboana ao an-toerana kosa ireo olona raha notsipahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izany.
Sandaina 250 Ariary ny daban-drano 20 litatra any Brickaville. Mahatratra hatrany amin’ny 2.000 Ariary ny vola lanin’ny tokantrano iray amin’ny fividianana rano isan’andro any an-toerana.
Nahitana fanafihan-dahalo indray tany Ambalabe Mampikony II ny talata lasa teo. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary sy ny fokonolona. Nanohitra ireo jiolahy ka zandary roa no voatifitra teo amin’ny lohany sy fihirifany. Dahalo 4 kosa no lavo ary nisy ny voasambotra.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.