Antsirabe

> Nahazo toeram-piterahana arifomba


  • Alarobia 12 Febroary 2014


Niampy iray ny toeram-piterahana tsy miankina ao Antsirabe. Fotodrafitrasa goavana sady vaovao izy ity tantanan-dry masera ao amin’ny kongregasionan'ny Masera Triniteran'i Valencia ao Antanambao Atsinanan'Ivohitra. Notokanana ny talata 11 febroary 2014 ny «Maternité Salve Regina», anisan'ny raitra ao Antsirabe. Raha ny nambaran'ny Masera Isabelle, tompon'andraikitra voalohany misahana ny «maternité» dia ny toeram-pitsaboana no nosahanin'izy ireo hatramin'izay nefa noho ny fahatsapana fa betsaka ny mangataka hiteraka tao amin'izy ireo satria lavitra loatra ny “Ave Maria” no nahatonga azy ireo hanangana ity toeram-piterahana ity, izay kendrena hanampiana ireo sahirana. Nanodidina ny 100.000.000 Ariary ny tombam-bidin'ny asa niampy ireo fitaovana arifomba rehetra ao aminy izay herim-pon'ny fikambanana sy ny mpanohana azy ireo avy any Espaina.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT