• Alakamisy 20 Febroary 2014
Antsirabe Renivohitra
Nahatrarana abatoara miafina sy omby 6

Saron’ny tompon’andraikitry ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe nandritra ny hetsika fanaraha-maso ny fandoavan-ketra ny toeram-pamonoana biby miafina tao Antsirabe. Hetsika natao nanomboka ny talata 18 febroary teo izy ity, mba hijerena akaiky ny fampidiram-bolan’ny Kaominina amin’ny haba sy hetra, anisan’ny notomorina akaiky ireo mpivarokena. Re ary tamin’ny tatitra fa tsy mifanaraka amin’ny isan’ny omby mivoaka ny abatoara ny isan’ny fivarotan-kena ao Antsirabe.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Febroary 2014
Depiote vaovao Sodoka amin’ireo tombontsoa manokana

Nahitana ny ampahany amin’ny mety zavatra hitranga eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny andro voalohany tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana natrehin’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara miisa 147 amin’ireo 151 voalazan’ny lalàna ny talata 18 febroary 2014 lasa teo. Nisongadina aloha amin’ny ankapobeny ny maha kianjan’ny demokrasia ity andrim-panjakana mpanao lalàna eny Tsimbazaza ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Febroary 2014
Botozaza Pierrot
Mila hatrehina amin’izay ny fampandrosoana ny firenena

Saika avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny toy ny PNUD avokoa ny 70%-n’ny fanampiana nampiasaina teto amintsika hatramin’izay, araka ny tatitra nataon’ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria Botozaza Pierrot.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Febroary 2014
Filankevitra Fampihavanana Malagasy
Hamory ny mpampihavana rehetra

Hamory ireo mpampihavana rehetra manerana ny Nosy ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy na ny FFM tarihin’ny filohany Rabotoarison Sylvain ato ho ato.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Febroary 2014
Lapan’i Tsimbazaza
Voatohintohina ny asa fanaovan-gazety

Tsy navela nanao ny asany fa nosakantsakanana tsy hahazo haka sary tao anaty efitrano fivorian’ny depiote sady natositosika mihitsy hivoaka any ivelany ny mpaka sary iray namana avy amin’ny gazety tsy miankina mpiseho isan’andro eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny
FTT