Saron’ny tompon’andraikitry ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe nandritra ny hetsika fanaraha-maso ny fandoavan-ketra ny toeram-pamonoana biby miafina tao Antsirabe. Hetsika natao nanomboka ny talata 18 febroary teo izy ity, mba hijerena akaiky ny fampidiram-bolan’ny Kaominina amin’ny haba sy hetra, anisan’ny notomorina akaiky ireo mpivarokena. Re ary tamin’ny tatitra fa tsy mifanaraka amin’ny isan’ny omby mivoaka ny abatoara ny isan’ny fivarotan-kena ao Antsirabe.
Natao ny fanadihadiana ka re fa misy toerana miafina izay tsy manara-dalàna tao amin’ny Fokontany Mahafaly Vatofotsy izay mandà ny handoa ny hetra any amin’ny Kaominina. Nokarohina eran’ny elakela-trano ity toerana ity ka dia noraisim-potsiny ara-bakiteny ireo mpanao rainizavona ireo. Raha ny fanazavana nomen’ny avy eo anivon’ny Kaominina dia efa omby 2 no maty ny androtr’io nahatrarana azy ireo io, ary mbola heloka hafa koa ny nahitana fa omby vavy ny iray tamin’ireo efa novonoina ireo. Ankoatra izay dia omby 4 hafa koa mbola velona, fa tombanana ho efa hovonoina eo koa no tratra teo. Raha ny fanazavana nomen’ny zandary avy ao Andranomadio Antsirabe dia ny maha tsy ara-dalàna io abatoara io aloha no heloka hanenjehana ireto mpamono omby ireto fa ny fanadihadiana ny maha ara-dalàna ny omby kosa dia eo am-panaovana izany amin’ny fanamarinana ny taratasy izy ireo na dia efa naneho izany aza ny tompony. Ankoatra ireo tratra ireo, moa dia fantatra fa ny 70%-n’ny fivarotan-kena ao Antsirabe dia toa tsy mbola ara-dalàna avokoa izay miteraka fatiantoka ho an’ny Kaominina hatramin’izay satria mivily lalana ny fidiram-bola ka mitarika fatiantoka izany, izay miteraka ny fihenan’ny vola miditra fototry ny tsy fahaloavana ny karaman’ny mpiasa. Mbola mitohy moa ity resaka fanadiovana ny fampidiram-bolan’ny Kaominina ity ato ho ato ka mety hivadika amina sehatra hafa indray izany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.