Lapan’i Tsimbazaza

> Voatohintohina ny asa fanaovan-gazety


  • Alakamisy 20 Febroary 2014

Tsy navela nanao ny asany fa nosakantsakanana tsy hahazo haka sary tao anaty efitrano fivorian’ny depiote sady natositosika mihitsy hivoaka any ivelany ny mpaka sary iray namana avy amin’ny gazety tsy miankina mpiseho isan’andro eto an-drenivohitra.

Tsy dia nazava loatra tamin’ity namana ity ny nahatonga ny fanakatsankanana azy tsy hanao ny asany ka ny lalana nivoaka ny faritry ny Lapa no hitany fa nety tsy hitaran’ny resaka. Tsy nanaiky izany anefa ireo namana be dia be nifandray an-telefaonina taminy fa niangavy azy mba hiverina hangatahana fanazavana tamin’ny zava-nisy. Tany amin’ny biraon’ny tompon’andraikitra voalohan’ny fiarovana ity Lapa ity no nahazoan’ny mpanao gazety maro fanazavana tamin’io lehiben’ny fiarovana io fa tsy fifankahazoan-kevitra tamin’ny baiko azo avy amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena no nahatonga ny zava-nisy. Taorian’ny nahalany azy ho filohan’ity andrim-panjakana ity moa, araka ny vaovao azo, dia nampiantso avy hatrany ireo lehiben’ny sampandraharaha rehetra tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny tenany ka nanome baiko ny handaminana ireo korotandrotana niseho teny an-toerana tamin’ny andron’ny talata 18 febroary toy ny mpivarotra kojakoja samihafa ho an’ny depiote ary ireo mpaka sary marobe nanerana ny Lapa ka nahatafakatra 150 ny isan’ny mpanao gazety nitrandraka vaovao tamin’io andro io. Naka soso-kevitra tamin’ny mpanao gazety moa ity tompon’andraikitry ny fiarovana ny Lapa ity ary niangavy ihany koa amin’ny hirosoana amin’ny fandaminana tsotsotra ny zava-nisy. Tsotra ny tenin’ireo mpanao gazety tonga nanatrika, dia ny hamelana azy ireo hanao ny asany amin’ny an-tsakany sy an-davany toy ny teo aloha ary hanasivanana ny vary sy tsiparifary.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT