Saika avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny toy ny PNUD avokoa ny 70%-n’ny fanampiana nampiasaina teto amintsika hatramin’izay, araka ny tatitra nataon’ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria Botozaza Pierrot.
Nihena anefa izany hatramin’ny taona 2009 no ho nankaty nisian’ny krizy ka tsy nisy afa-tsy 40 % sisa ny fanampiana azontsika izay manodidina ny 400 ka hatramin’ny 700 tapitrisa Ar raha totaliana ara-bola, araka ny nambarany ihany. Betsaka ireo sehatra tavela vokatr’izany ankoatra ny lafiny ara-tsosialy sy ny fanampiana ny maha olona sisa izay hany tsy nofoanan’izy ireo. Nisy ny tatitra izay nentin’ny praiminisitra lefitra mikasika izany omaly ka nanambarany fa fotoana efa tokony hijerena ny paikady hanavaozana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny amin’izay izao. Efa tafiditra ao anatin’ny Repoblika fahefatra mantsy isika, hoy ihany izy ka tokony hatrehina amin’izay ny fampandrosoana ny firenena. Mikasika izay fanarenana ny firenena izay moa dia nanambara i Botozaza Pierrot fa tsy misy afa-tsy ny sehatry ny indostria ihany no hahafahana mamaha ny olana ara-tsosialy eto amintsika raha tiana hiarina ny firenena. Io ihany mantsy, hoy izy no afaka mamorona asa avy hatrany ho an’ny vahoaka ankoatra ny fijerena ny lafiny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny resaka tontolo iainana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.