Depiote vaovao

> Sodoka amin’ireo tombontsoa manokana


  • Alakamisy 20 Febroary 2014

Nahitana ny ampahany amin’ny mety zavatra hitranga eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny andro voalohany tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana natrehin’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara miisa 147 amin’ireo 151 voalazan’ny lalàna ny talata 18 febroary 2014 lasa teo. Nisongadina aloha amin’ny ankapobeny ny maha kianjan’ny demokrasia ity andrim-panjakana mpanao lalàna eny Tsimbazaza ity.

Afaka naneho ny heviny malalaka mantsy ireo depiote nomen’ny olom-pirenena ny safidiny sy ny fahatokisany avy amin’ireo Distrika niaviany avy. Manaporofo izany ny fisongadinan’ireo firehana roa samihafa nandritra ny fifidianana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao na dia tsy fantatra mazava aza ny miaraka amin’ny mpitondra sy ny hisahana ny toeran’ny mpanohitra. Manantena kosa anefa ny mpanara-baovao fa hitoetra hatrany io fomba fijery roa samy manana ny maha izy azy io mba ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy 22 tapitrisa miandrandra ilay tena fiovana nampanantenana azy. Ny mampanahy kely fotsiny dia ny tsy fijoroana amin’ny tsangan-kevitra miampy ny fifanilihana andraikitra sahady eo amin’ireo heverina fa olom-boafidy mpitondra ny hetahetam-bahoaka taorian’iny fandatsaham-bato amin’izay ho lehiben’ny andrim-panjakana mpanao lalàna iny. Tsy vitsy moa ny milaza fa sodoka tamin’ny fampanantenana nataon’ireo kandida roa nilatsaka hofidiana ho prezida ireo solombavambahoakan’i Madagasikara ireo ka izay no nahatonga iny vokatra efa nampoizina iny ihany. Tsikaritra sy hita ho seriny kokoa amin’ny adivarotra momba ireo tombontsoany manokana mantsy ny ankamaroan’ireo olom-boafidy nivory teny Tsimbazaza tamin’io fihaonana voalohany io. Ny hoavy kosa no hanambara raha mitombina io ahiahin’ny mpiarabelona io na tsia. Raha izay tokoa mantsy no izy dia tsy misy azo antenaina ary tsy hipaka any amin’ny fiarahamonina indray ireo fampielezan-kevitra nipoapoaka nandresen-dahatra ny mpifidy ho fampandrosoana ny isam-paritra.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT