Nivoitra nandritran’ny fanolorana faneva ireo jeneraly miisa 38 vao niakatra laharam-boninahitra tamin’ny 2013 ao amin’ny foloalindahy Malagasy sy ny Filoha Hery Rajaonarimampianina fa vonona hatrany hitandro ny anjara asany dia ny fiarovana ny Malagasy tsy an-kanavaka izy ireo. Olana iray sedraina anefa amin’izao fotoana ny resaka an-dranomasina, mirefy 50.000 km mantsy ny morontsirak’i Madagasikara ary somary mananosarotra ny fiarovana izany raha tsy hilaza afa-tsy ny fanondranana an-tsokosoko ireo hazo sarobidy. Mbola vitsy anefa ny fitaovana hoentin’izy ireo amin’izany ka ilany ny fanampiana avy amin’ny Filoha vaovao. Nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy olana ny mety ho fanendrena ny avy amin’ny foloalindahy hiara-miasa amin’ny fitondrana satria tsy voatery ho ao amin’ny tafika ihany no hanatanterahana ny fanompoana ny tanindrazana fa amin’ny asa tahaka izany koa. Tsy midika anefa izany fa momba an’izatsy na izaroa ny tafika fa ny miaro ny vahoaka sy ny fananany hatrany no asan’izy ireo.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.