Filankevitra Fampihavanana Malagasy

> Hamory ny mpampihavana rehetra


  • Alakamisy 20 Febroary 2014

Hamory ireo mpampihavana rehetra manerana ny Nosy ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy na ny FFM tarihin’ny filohany Rabotoarison Sylvain ato ho ato.

Mialoha izany anefa dia hangataka fihaonana amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izy ireo haka torohevitra. Hiparitaka manerana ny faritra izy ireo aorian’izay no sady hanao fikarohana mikasika ny antony tsy mampandroso ny firenena ihany koa, hoy ihany izy ireo. Tsy misy fampandrosoana vanona mantsy ho an’ny FFM raha tsy mihavana ny vahoaka. Mikasika ny feo mandeha momba ny tokony hanafoanana ny FFM indray dia nanambara Rabotoarison Sylvain fa diso hevitra izay manaparitaka izany feo izany. Andrim-panjakana natsangana araka ny andininy faha-168 ao anatin’ny lalampanorenana io. Toraka izany koa ny andininy faha-25 ao anatin’ny tondrozotra ary azo havaozina isaky ny telo taona ny mpikambana ao aminy. Na izany aza anefa dia tsy mampaninona azy ireo ny fisian’ny CNR izay mijoro hampihavana ihany koa amin’izao fotoana. Nomarihin’ny filohan’ny FFM omaly moa fa tsy mitsahatra ny manao ny asany momba ny famotsoran-keloka izy ireo izay tsy mijanona ho an’ny miaramila ihany. Fantatra fa antontan-taratasy miisa 27 tamin’ireo 91 teo am-pelatanany no efa voavaha.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT