• Alarobia 02 Jolay 2014
Actualités.Kaominina Antananarivo Renivohitra Mampiasa ny tapakilan-tsena maoderina

Olana saro-bahana eto an-drenivohitra ny resaka tsena. Samy tsy nisy nahavita nandamina azy io avokoa ireo mpitondra nifandimby, indrindra hatramin’izay niavian’ny fitondrana Tetezamita. Ireny iaraha-nahita ireny ny gidragidra sy ankiafina eo amin’ny mpiasan’ny Kaominina sy ireo mpivarotra amoron-dalana tamin’ny fotoanan’i Edgard Razafindravahy. Vao saika hanala sy hamindra ireo mpivarotra eny ......

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 02 Jolay 2014
Actualités.Dahalo nanafika mpitondra omby Voasambotra tany Bongolava

Taorian’ilay nitranga tao amin’ny kaominina Betafo dia nitrangana fanafihana mpitondra omby indray iny lalam-pirenena faha-34 iny ny Sabotsy 23 jona 2 lasa teo. Omby novidiana tany amin’ny tsenan’omby tany Miandrivazo hoentina hamidy ny alarobia 25 Jona tao Mandoto ireto nisy nanafika ireto.......

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 02 Jolay 2014
Actualités.Distrikan’Ikongo Tsy mba mahita Mondial izany, hoy ny depiote Razafitsiandraofa

Tena mampalahelo fa tsy mba mahita Mondial izany ny mponina any amin’ny distrikan’Ikongo na dia efa nivimbina fitaovana niaraka amin’ny teknisianina aza izahay, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tamin’iny faritra iny, Razafitsiandraofa Jean Brunel izay vao tafaverina avy nankalaza ny fetim-pirenena tany......

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 02 Jolay 2014
Actualités.Famonoana an’i Dr Laivao Michel Victorie Nigadra mandra-pahafaty i Naina

Namarana ny fitsarana ady heloka bevava andiany voalohany teo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina nifarana ny alatsinainy 30 jona teo, ny raharaha “famonoana feno habibiana sy fakana an-keriny ny Dr Laivao Michel Victorine sy ny zanany vavy ary ny fangalarana ny fiara tsy mataho-dalana” nitranga ny 05 aprily 2011 tokony ho tamin’ny 8ora alina. Mbola betsaka ny zava-miafina amin’ity raharaha ity........

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 02 Jolay 2014
Actualités.Akon’ny fetim-pirenena tany Lakato-Moramanga Olona telo voafiran’ny antsy lava teo am-pananganan-tsaina

Nizaram-pifaliana sy ranomaso tamin’iny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona 2014 iny tany amin’ny kaominin’i Lakato distrikan’i Moramanga, araka ny tati-baovao nentin’ny depiote Randriamahefa Henri Charles nandalo tany an-toerana......

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 02 Jolay 2014
Actualités.Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka Hiady amin’ny fanaovana jangoany

Maro ireo aretina azo avy amin’ny fanaovana jangoany na fanaovana maloto ankalamanjana eto amintsika ary faritra maro no mbola ahitana an’izany. Noho izay indrindra dia nanatanteraka atrikasa mba ho fisorohana ny fanaovana io aretina mampidi-doza io ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fikambanana Green Mahajanga.....

Hamaky ny tohiny
FTT