• Alarobia 30 Jolay 2014
Actualités.Faritra marefo i Mananjary, indrindra amin’ireo loza voajanahary toy ny rivodoza, ny ranobe … Izany no nahatonga ireo ao amin’ny ICPM (Initiative de Plaidoyer pour la réduction des risque de Catastrophes à Madagascar) nanolotra fanofanana ho an’ny mpanao

nandritra ny roa andro tany an-toerana, mba ho fampahafantarana ny fotodrafitrasa napetraky ny BNGRC, hiatrehana sy hampihenana ny mety ho voka-dratsy ateraky ny loza ao amin’io faritra io. Notanterahina ny 25 sy 26 Jolay lasa teo izany, tao Mananjary. Rehefa tonga mantsy ny rivodoza, dia miakatra be ny rano ao Mananjary, ka tra-doza avokoa ny mponina no sady tsy manan-kohanina noho ireo voly sy vokatra tahiry simban’ny rano. Napetraka noho izany ny RRC (Réduction des Risques de Catastrophes) na fanenana ny tandindon-doza hialana amin’ireo rehetra ireo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 30 Jolay 2014
Actualités.Oniversite Nijanona ny grevy saingy…

Rehefa nifanjinja nandritra ny andro maro ny mpianatra sy ny fanjakana dia nisy fiatoana kely izany omaly

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 30 Jolay 2014
Actualités.Rafidinjatovo Zafimahaleo Green Gasikara

Mampiahiahy ny fahaleovantenan’ny fitsarana eto amintsika Manana ny heviny manokana mikasika ireo savorovoro nitranga teto amin’ny firenena tao ho ao ny Green Gasikara raha ny nambaran’ny mpandrindra nasionaliny, Rafidinjatovo Zafimahaleo na i Fidison tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana omaly. Tsara ireny firaisankinan’ny mpanao gazety ho famoahana ireo namany nampidirina am-ponja noho ny asany ireny, hoy izy

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 30 Jolay 2014
Actualités.Randriamahefa Henri Charles Tsy maintsy hampanarahana lalàna ny famoaham-bolam-panjakana

Hosokafana ofisialy anio alarobia 30 jolay amin’ny 10 ora maraina ny fivoriana tsy ara-potoana handinihana manokana ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2014. « Aleo tara toy izay tsy misy », hoy ny depiote Randriamahefa Henri Charles, raha namaly ny fanontaniana mikasika ny nahatara ny fahatongavan’ilay volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana hoenti-miasa amin’ity taona 2014 ity izy

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 30 Jolay 2014
Actualités.Fiarovana ny zon’ny mpanjifa Any Antsiranana indray ny RNDC

Taorian’ny dinika nifamotoanana tanaty fahitalavitra tany Antsiranana mikasika ny hetra sy ny olana amin’ny fampidirana azy, ny herinaratra tapatapaka lava tany an-toerana, ny rano fisotro madio dia ny lohahevitra manodidina ny fahasalamam-bahoaka indray no ho entin’ny RNDC Antsiranana miaraka amin’ireo olona hasaina manokana ao anatin’ny fandaharana FANKAREGNY na fifampihenoina sy fifampiresahana anaty fahitalavitra (débat televisé) ny 9 aogositra ho avy izao.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 30 Jolay 2014
Actualités.Mihantona aloha ny fivarotana tanim-panjakana eto antananarivo ,

fanazavan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany. Fanapahan-kevitry ny governemanta tamin’ny iray volana lasa izy io, ary tsy maintsy noraisina satria efa tena maro loatra ny tany lasan’ny orinasa eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny
FTT