• Talata 05 Aogositra 2014
Actualités.Fanakorontanana ao Mahajanga Tsy handefitra ny Emmo-reg

Fandravana sy fahapotehina fananan’olona maro no niseho taorian’ny fidinana an-dalambe nataon’ireo mpianatra ny oniversite Mahajanga omaly. Manoloana izay indrindra dia milaza ny tsy handefitra ho an’ireo izay manakorontana sy mihoa-pefy ny mpitandro ny filaminana avy eo anivon’ny Emmo-Reg

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014
Actualités.Asa fampandrosoana eto Madagasikara Tsy nisy zavatra mivaingana tao anatin’ny enim-bolana

Miatrika ilay fihaonana an-tampony Etazonia-Afrika any Washington amin’ity herinandro ity ny filoham-pirenena Malagasy. Fotoana tsy maintsy hiresahana ireo asa fampandrosoana vitan’ny firenena isanisany.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014
Actualités.Fanararaotam-pahefana ao Beroroha Feno ny kapoaka, nitory ny vahoaka

Tsy mahazaka ny fanamparam-pahefana sy ny tsindry hazo lena ataona mpitandro filaminana sy tompon’andraiki-panjakana sasany tsy maty voalavo an-kibo any amin’ny distrikan’i Beroroha,

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014
Actualités.« Corail de Mer » ao Tolagnaro Trandrahan’ny Sinoa

Tsy misy dikany amin’ireo mpitrandraka ny tangoaraky (corail de mer) ny fanapahan-kevitra na ny didim-pitondrana navoakan’ny fiadidian’ny faritra Anôsy vao tsy ela akory izay. Iaraha-mahalala fa nisy ny fandrarana ny fitrandrahana azy ity, saingy izany no vao mainka nandrisika ireo mpivelona amin’izy ity

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014
Actualités.Analamahitsy Tranom-bazaha nisy nandoro.

Araka ny filazan’ny olona manodidina teny an-toerana dia nisy nanipy afo avy any ivelan’ny tamboho misy ilay teratany vahiny monina eny Analamahitsy. Ny sabotsy teo no nisehoan’ny loza.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014
Actualités.Mahavita azy ny Malagasy

Mahavelom-bolo ny zava-bitan’ireo ekipa malagasy miangaly ny taranja Basikety sy Baolina kitra omaly alahady. Tafakatra amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana amin’ny Afrobasket mantsy ny ekipam-pirenena malagasy ho an’ireo zazalahy latsaky ny 18 taona ary nandrombaka ny amboaran’ny ranomasimbe Indiana amin’ireo klioba tompondaka ny CNaPS Sport. Mba miova kely amin’ny mahazatra ny vaovao nisongadina ny faran’ny herinandro. Manomboka mahatoky ny resaka fanatanjahantena indray Ramalagasy, faly sy tretrika satria nandresy ny an’ny tena

Hamaky ny tohiny
FTT