• Alarobia 27 Aogositra 2014
Actualités.« Cocarde » eny amin’ny fiarakodian’ny Depiote Fiara tokana ihany no azo asiana azy

Maro ankehitriny ny fiara mivezivezy manerana ny Nosy, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra rehefa misy fotoam-pivorian’ny eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, ahitana ny saina kely mirehitra jiro amin’ny alina miranty eo amin’ny fitaratra anoloana na ny « cocarde ».

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 27 Aogositra 2014
Actualités.FANAPOIZINANA ARA-TSAKAFO Arahi-maso akaiky ireo mpivarotra hani-masaka

Manomboka miaina ao anatin’ny hafanana indray isika izao. Misy fiantraikany goavana amin’ny hani-masaka hamidy eny amoron-dalana izany, indrindra fa ho an’ireo mampiasa sakafo misy mayonnaise

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 27 Aogositra 2014
Actualités.Faratsiho Taksibrosy nivadika , olona 11 naratra mafy.

Olona 11 naratra mafy vokatry ny filatsahan’ny taksibrosy tao anaty rano ny alatsinainy hifoha talata teo. Fiara mampitohy an’i Faratsiho sy Soavinandriana-Itasy mantsy no nilatsaka tao an-dreniranon’i Kitsamby ny andron’io

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 27 Aogositra 2014
Actualités.Mpampianatra FRAM –Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Mihenjan-droa ny tady

Tapitra tamin’ny alatsinainy teo ny fampitandremana 48 ora nomen’ny Fiarahamonina sivily SCA (Société Civile en Action) ny fanjakana hamaliana ny fangatahana nataony ka dia tonga natanjaka teny amin’ny tokotanin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena teny Anosy koa ry zareo omaly talata maraina nanatevin-daharana ny fitokonana efa natomboky ny Fram niaraka tamin’ny ANEFA ny alatsinainy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 27 Aogositra 2014
Actualités.Jeneraly Solamena Ny olona ve no miharatsy sa ny fanjakana no tsy mahafehy vahoaka ?

Maizina ny tanànan’i Toamasina raha vao manomboka hariva ny andro ankehitriny noho ny delestazy, hoy ny jeneraly Solamena nitatitra ny zava-misy any andrenivohi-dRasaraka omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 27 Aogositra 2014
Actualités.Mpiasan’ny JIRAMA Nidina an-dalambe nihazo ny tobin’ny zandary

Mbola nitohy omaly ny fitokonana fanairana nataon’ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa JIRAMA tetsy Soanierana. Rehefa avy nanao ny kabary sy ny teny fanairana maro samihafa ireo mpiasa dia nihazo ny toerana nitazonana ireo namany

Hamaky ny tohiny
FTT