• Alakamisy 28 Aogositra 2014
Actualités.Loha misy tandroka avy any aoriana Mila fandidiana maika i Lidroguez

Mila vonjy amin’ny fandidiana an-janany ity renim-pianakaviana iray ao Fenoarivo Atsinanana. Vao teraka mantsy i Idroguez dia efa nahitana fahasamponana teo amin’ny lohany, saingy tany am-boalohany dia kelikely ihany ilay izy, fa arakaraka ny fitomboan’ilay zaza dia nitombo ihany koa ilay zavatra mivoitra

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 27 Aogositra 2014
Actualités.Hentitra sendikan’ny mpiasa Tsy ekena ny fanapotehana ny Air Madagascar

Tsy manaiky ny tetika maizina hanapotehana ny kaompaniam-pitaterana nasionaly Air Madagascar ny sendikan’ny mpiasa mitambatra ao aminy ary nanao fitokonana fanairana nandritra ny ora telo omaly teny Ivato. Manamafy ireo mpiasa fa tetika hamonoan’ny Frantsay ny Air Madagascar ny fampidirana ity kaompania ity ao anatin’ilay « annexe B » ka tsy hahafahany misidina any eoropa satria tsy mahafeno ny fepetra ara-teknika, hono.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 27 Aogositra 2014
Actualités.Sazy tsy mitombina Mahagaga ihany ny fanapahan-kevitra tahaka izao, hoy ireo mpiasa satria ananan’ny Air Madagascar tsara ny fenitra eoropeanina toy ny PART 145 momba ny fikojakojana fiaramanidina sy ny IOSA avy amin’ny IATA ho fanamarinana fa azo antoka

Lehilahy vahiny iray efa mamomamo no nisotasota vehivavy izay nifanena taminy teny amin’ny fokontanin’Ampahimanga Ambohimanambola omaly takariva ary mbola nanimba fiaran’olona mijanona amoron-dalana ihany koa.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 27 Aogositra 2014
Actualités.Bakalorea Mahajanga Hanomboka anio ny fitsarana

Anio alarobia 27 Aogositra amin’ny valo ora maraina no hanomboka ny fitsarana ny fanadinana bakalorea ankapobeny ho an’ny faritra Boeny sy ny manodidina.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 27 Aogositra 2014
Actualités.BNI MADAGASCAR

Hanampy ny rehetra amin’ny fampidirana mpianatra Hanampy ny ray aman-dreny amin’ny fidiran’ny mpianatra ny banky BNI Madagascar. Mba hahafahan’ny isan-tokantrano mandefa ny zanany any an-tsekoly tsy misy sakana no tanjona, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 27 Aogositra 2014
Actualités.Ivontoeram-pampianarana mozika sy dihy (CNEMD). Hiditra amin’ny rafitra Iraisam-pirenena.

Hisy ny fiovana lehibe ataon’ny avy eo anivon’ny ivontoeram-pampianarana mozika sy dihy (CNEMD) atsy ho atsy. Nilaza ny tompon’andraikitra ao amin’ity toerana ity fa hiditra amin’ny fanatsarana izy ireo ka ho lasa « conservatoire » na ivontoerana iraisam-pirenena

Hamaky ny tohiny
FTT