• Talata 02 Septambra 2014
Actualités.Mandrehitra afo

Maro ny olona rehefa miresaka amin’izao fotoana dia milaza fa mbola ao anatin’ny tetezamita ihany isika. Tsy misy ny fitoniana, miverina miandry raharaha etsy sy eroa indray ny fiaraben’ny emmo reg, toa misy isan’andro ny olona voaantso any amin’ny zandary fa hoe mila hadihadiana fa manohintohina ny filaminana anatiny

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Septambra 2014
Actualités.Voafonja 500 ao Antanimora Nahazo fanampiana tamin’ny fikambanana FMDV

Vary sy hena niampy bisikoitra sy lamba firakotra niaraka tamin’ny fitafiana samihafa no natolotry ny fikambanana FMDV (Fikambanana mandan’ny 50 taona vaovao) notarihan-dRtoa Zahra filohany sy ireo fikambanana mpiray dia aminy, an’ireo voafonja niisa 500 ny sabotsy teo tamin’ny fitsidihana nataon’izy ireo teny amin’ny fonjan’Antanimora

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Septambra 2014
Actualités.Gidro eto Madagasikara Ahiana ho lany taranaka ny 94 %

Ny 94 %-n’ireo karazana gidro eto amintsika no ahiana ho lany taranaka amin’izao vokatry ny fitrandrahana tsy ara-drariny hataon’ny sasany amin’izy ireny. Tsy eto amintsika ihany anefa no hitrangan’izany fa saika maneran-tany mihitsy

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Septambra 2014
Actualités.JEUNES ETUDIANTS TSIDIDIENS Maro amin’ireo eny amin’ny oniversite no mbola manofa trano

Maro amin’ireo tanora mpianatra avy any amin’iny Faritra Bongolava iny mandranto fianarana eny amin’ny oniversite amin’izao no mbola manofa trano. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin-dRakotoarisoa Santatra, filoha lefitry ny JET ( Jeunes étudiants Tsididiens) dia efa dimy taona izao no nianarany teny Ankatso saingy mbola manofa trano hatrany izy

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Septambra 2014
Actualités.Jiolahy nampihorohoro an’Atsimondrano Hiakatra fitsarana anio

Hiadiana amin’ny asan-jiolahy izay mateti-pitranga tamin’iny Faritra Atsimondrano iny, toy ny teny Itaosy sy ny manodidina izay saika nahenoana fanafihana mitam-piadiana isan’andro dia natao ny vela-pandrika rehetra sy fitadiavam-baovao mahakasika ny andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Septambra 2014
Actualités.MPIASAN'NY JIRAMA Ampy izay ny ramatahora

Manome hatramin'ny Alakamisy ny fitondram-panjakana ny mpiasan'ny JIRAMA mikasika ny tokony hampitsaharana ny fampihorohoroana hatao amin'izy ireo, indrindra fa ireo am-perinasa. Hatreto mantsy dia miaina ao anatin'ny fitaintanana hatrany ny mpiasa, indrindra fa ireo madinika na dia tsy miankina aminy aza ny zava-mitranga

Hamaky ny tohiny
FTT