• Talata 09 Septambra 2014
Actualités.Mety hiteraka fitotongan’ny saran’ny ariary ny tsy fahampian’ny tahiry vola vahiny ao amin’ny tsenam-bola vahinin’ny banky foibe

Izany no antony namoahan’ny minisiteran’ny vola sy teti-bola fanambarana manery ireo mpandraharaha mba handrotsaka ny ampahan’ny vola vahiny azony ao amin’ny banky foibe. Manana olana goavana noho ity tsy fahampian’ny tahiry vola vahiny ao amin’ny banky foibe ity ireo orinasa mividy sy manafatra solika avy any ivelany satra tsy maintsy vola vahiny no ampiasaina.Fantatra fa 500 tapitrisa dolara ny vola vahiny mihitsoka any amin’ireo banky tsotra eto amintsika amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 08 Septambra 2014
Actualités.Fifanarahan’Ambatovy sy ny Zandary Ampandeferina ny vahoaka, arovana ny mpanambola !

Ny zoma 05 septambra teo tamin’ny 10 ora maraina, no vita ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo anivon’ny orinasa Ambatovy Tanandava an-daniny sy ny zandarimariam-pirenena Atsinanana sy Alaotra-mangoro an-kilany, mikasika ny “fiarovana manokana” ny orinasa Ambatovy.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 08 Septambra 2014
Actualités.Aferana vola sandoka, basy sy bala Naverina any am-ponja indray i Renita

Naverina any am-ponja i Renita, lehilahy 47 taona nahatrarana vola sandoka 3 850 000 ariary mahery ( iray alina ariary avokoa) tao an-tranony tao Betania Scama ny harivan’ny alakamisy 28 aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny efatra ora, taorian’ny fisavana nataon’ny polisy

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 08 Septambra 2014
Actualités.AFT Andavamamba Fandaharam-potoana matevina mandritra ny 2 volana

Hanafana ny fotoana mandritra ny hefarana ireo mpanakanto sy tarika maro toa an’i Dama, Lego sy Mikéa

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 08 Septambra 2014
Actualités.AMBODIMANGA BESARETY Nampiakarina 50 sm ny haavon’ny lalana

Nampiakarina ho 50 sm ny haavon’ny lalana etsy Ambodimanga Besarety hialana amin’ny fahasahiranana amin’ny fivoahan’ny rano maloto rehefa fotoam-pahavaratra.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 08 Septambra 2014
Actualités.ANDAPA Sady nahazo volan-jaza no nahazo fiofanana avy amin’ny CNaPS

Nanomboka ny Talata 2 ary nifarana ny Zoma 5 Septambra lasa teo ny fanofanana nomen’ny ekipan’ny “Service d’Actions Sanitaires et Sociales” (na ny SASS) eo anivon’ny Tahirimpirenena ireo orinasa mihodina ao anatin’ny distrikan’Andapa

Hamaky ny tohiny
FTT