• Talata 23 Septambra 2014
Actualités.Jamba mifampitantana

Manao ny fampandehanan-draharaha fotsiny no ataon’ny mpitondra fanjakana eto amintsika amin’izao fotoana satria tsy misy ny asa goavana azo tanterahana, noho ny tsy fisian’ny vola. Ambinkambin’asa nandrimbinana tamin’ny isa tahiry teo am-pelatanana no hanaovana asa madinika dia tokanana etsy sy eroa avy eo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 23 Septambra 2014
Actualités.Fahasalamam-bahoaka Mbola ambony ny tahan’ny areti-mifindra eto Madagasikara

Mbola ambony ny tahan’ny areti-mifindra eto Madagasikara raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana. Nisy ny atrikasa notanterahin’ireo komity miady amin’ny aretina tsy azo tsinontsinoavina na ireo aretina mpahazo ny tany mahantra ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 23 Septambra 2014
Actualités.Fanalam-baraka tamin’ny aterineto. Nitory izy roa fa voaendrikendrika nanao firaisana ary miparitaka any anaty tranokala

Mpiara-miasa roa, lahy sy vavy no nametraka fitoriana teny amin’ny manampahefana tamin’ny herinandro teo. Ny antony dia voalaza fa misy manaparitaka any anaty tranokala ny sarin’izy ireo izay voalaza fa nanao firaisana

Hamaky ny tohiny
  • Talata 23 Septambra 2014
Actualités.Fanazavana momba ny TNT Tsy nisy tonga nanatrika ireo tompona haino aman-jery

Tetikasa tsy maintsy tanterahina na dia amin’ny ampahany ihany aza ny fametrahana ny Television Numérique Terrestre eto amintsika, hoy ny minisitry ny serasera Reboza Cyril. Mitovy amin’ny fanoloana ny diska taloha ho lasa CD io, hoy hatrany izy ka tsy tokony hampieritreritra be loatra ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny
  • Talata 23 Septambra 2014
Actualités.Fanovana ara-politika Mijoro ny tanora

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tao Fianarantsoa ny faran’ny herinandro lasa teo ny andiany indray mihira “Fagnoitsa” na “Fanoitra», misy tanora mpiofana 14 mianadahy vonona hijoro ary nanaraka ny fanabeazana sy fiofanana ara-politika maimaimpoana nandritra ny efa-bolana tao amin’ny foibe nasionalin’ny antoko “Fitambolagnela” ao Beravina Avaratra, Kaominina Fianarantsoa I

Hamaky ny tohiny
  • Talata 23 Septambra 2014
Actualités.Farafangana Ny zandary no Remenabila, hoy i Tabera Randriamanantsoa

Ny zandary mihitsy no Remenabila any amin’ny faritra avaratry ny foko Zafisoro any Farafangana iny ankehitriny, hoy ny minisitra teo aloha Tabera Randriamanantsoa. Vao tafaverina avy any amin’iny faritra iny ny tenako, hoy izy ka nahita ny zava-nisy marina.

Hamaky ny tohiny
FTT