• Zoma 14 Novambra 2014
Actualités.Penjy Randrianarisoa Miantso ny mpanao gazety rehetra hiatrika ny fihodinana faha-2

Anisan’ireo kandidà nirotsaka hofidiana ho amin’ny toeran’ny filohan’ny holafitry ny asa fanaovan-gazety malagasy farany teo niaraka tamin’ireo namany 5 mirahalahy i Penjy Randrianarisoa avy amin’ny Aceem Radio saingy nailiky ny komity mpikarakara ny fifidianana fa tsy nahafeno ny antontan-taratasy nilaina tamin’izany, na ny marimarina kokoa tsy nanam-bola natao antoka, hoy izy omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 14 Novambra 2014
Actualités.Ivandry tanàna Lasan’ny Karana ny antsasaky ny tanàna

Misoko miadana mangorona ny tany eto an-drenivohitra ny Karana. Fantatra indray izao fa dia misy fikasana hamefy tany ka mametraka tsatoka mangingina eny Ivandry tanàna eny.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 14 Novambra 2014
Actualités.RADIO ORV AMBOSITRA Nanamarika ny faha-10 taonany

2004-2014. Feno 10 taona katroka izao ny niorenan’ny onjam-peo ao Onjandranovelona FM 107 ao Ambositra.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 14 Novambra 2014
Actualités.Prince Rev.Dr. Ndriana Rabarioelina « Tonga ny fotoana ijoroan’ny tia tanindrazana »

Mitana hatrany ny sain’ny besinimaro ny fizotry ny raharaham-pirenena ankehitriny. Goavana amin’ireny ny tontolo politika izay mivoatra isan’andro. Vahinin’ny gazety Tia Tanindrazana amin’ity anio ity ny Prince Rev.Dr. Ndriana Rabarioelina, Filohan’ny Fiombonamben’ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara. Resadresaka.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 14 Novambra 2014
Actualités.YMCA Mampisongadina ny zava-bitan’ireo tanora mpikambana ao aminy

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly ary haharitra hateloana ilay foara lehibe antsoina hoe : “yefest “karakarain’ny Young Men’s Christian Association Madagascar ( YMCA) etsy

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 14 Novambra 2014
Actualités.Zazavavikely 5 taona Maty noho ny fiakaran’ny tosidra

Midanika ny hafanana, omaly tafakatra 35° ny maripana tao Toliara. Betsaka ny ankizy sy ireo marefo ara-batana sy ara-pahasalamana no tsy mahatanty izany. Zazavavikely iray vao dimy taona monja narary efa ho herinandro no maty vokatry ny fiakaran’ny tosi-drà, afak’omaly. Somary nanaitra ihany ny vaovao, satria ny ankamaroan’ny olona dia mieritreritra fa aretin’ny olona efa nahazo taona ihany ny fiakaran’ny tosi-drà. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo anefa dia tsy mifidy saranga na taona ity aretina ity. Hatramin’ny ankizy telo taona tratrany.

Hamaky ny tohiny
FTT