• Alakamisy 20 Novambra 2014
Actualités.Mgr Odon Razanakolona “Arahina fanoneran-keloka fa tsy vitan’ny hoe miova fo fotsiny”

Nankalaza ny fetin’ny Olomasina Odon ny Fiangonana Katolika maneran-tany, ka ny talata18 novambra 2014 no nanatanterahana izany teto amin’ny Diosezin’Antananarivo, no sady fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan’ny Arseveka Odon Marie Arsène Razanakolona. Izay no tsy nahitana ity farany tamin’ilay dinika fakan-kevitra momba ny fampihavanam-pirenena nataon’ny FFKM io andro io teny Faravohitra

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Novambra 2014
Actualités.Fanovana kasaina hatao eto amin’ny firenena Tokony hojerena ihany koa ny sehatry ny indostria

Namoaka ny mavesatra tao am-pony indray ny orinasa Savonnerie tropicale omaly. Nambaran’izy ireo fa raha tiana marina ny hisian’ny fanovana eto amin’ny tany sy ny firenena mba hisian’ny fampandrosoana dia tokony hojerena ihany koa ny sehatry ny indostria

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Novambra 2014
Actualités.Sehatra tsy miankina Tsy mbola tafarina hatramin’izao

Misedra olana hatramin’izao ny sehatra tsy miankina Malagasy, araka ny fifanakalozan-kevitra nifanaovan’ny vondron’ny mpandraharaha tamin’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara nanasa azy ireo mivantana teny Tsimbazaza

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Novambra 2014
Actualités.Sirama Brickaville May kila hotohoto, mifamahofaho ny resaka

May kila hotohoton’ny afo ny alin’ny talata hifoha ny alarobia ny orinasa Sirama ao Brickaville. Tamin’ny iray ora maraina tany no voalaza fa tsikaritry ny mpiambina ny fisian’ny afo niainga avy ao amin’ny birao ary dia tsy hay notohaina.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Novambra 2014
Actualités.ETO AN-TOERANA

RAHARAHA RAVALOMANANA: Araka ny nambaran’ny mpisolovavan’ireo mpiasan’ny ACM dia marary ireto farany amin’izao fotoana izao.Ny nahatonga izany aretina izany moa dia ny fandavan-dry zareo hisakafo raha ny fanazavana voaray.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Novambra 2014
Actualités.Tsiafahy- Grand Port Tanàna roa mpirahavavy manomboka izao

Mpirahavavy manomboka izao ny kaominina ambanivohitra Tsiafahy sy ny filankevitry ny distrikan’i Grand Port maorisianina, araka ny fifanarahana vita sonia in-droa miantoana teo amin’ny ben’ny tanàna Randriamahefa Justin sy ny filohan’ny filankevitry ny distrika Yashveer Ruggoo.

Hamaky ny tohiny
FTT