• Zoma 23 Janoary 2015
Actualités.Marovoay sompitr’i Madagasikara Tsy afa-bela tamin’ny nafitsoky ny rivodoza Chezda

Tsy afa-bela tamin’ny takaitra navelan’ny rivodoza Chezda ihany koa ny any Marovoay sompitr’i Madagasikara, hoy ny depiote Navony Sahoby lany tany an-toerana, na dia tsy tena nandalo tany tanteraka aza ity rivodoza ity.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Actualités.Kaominina Tanambao Besakay Mirongatra ny halatra omby

elon-taraina ankehitriny ny mponina ao anatin’ny Kaominina Tanambao-Besakay, Distrikan’Ambatondrazaka fa mirongatra ny halatraomby any an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Actualités.Befandriana Atsimo-Toliara Nifandona indray ny dahalo sy mpitandro filaminana

Raikitra indray ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo tany amin’ny kaominina Befandriana, Faritra Atsimo Andrefana ka tao amin’ny tanànan’Antsinjy no nitrangan’izany. Omby 14 teny am-piraofana no nahoron’ireo dahalo niisa 10 lahy nirongo fitaovam-piadiana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Actualités.Fanahiniana sa fihantsiana ? Niparitaka eran’Antsirabe ny diky

Asa na efa tena politika maloto mihitsy na fihantsiana ny mpitantana ny tanànan’Antsirabe fa dia niparitaka tamina toeram-panariam-pako maro ny diky tao Antsirabe ny alakamisy 22 janoary lasa teo.Tsy fantatra ny tompon’antoka tamin’izany fa ny azo antoka dia olona nanam-bola no afaka nanao izany. Nataon’ireo tsy mataho-tody ao anatin’ireny “Bidon” miloko mavomavo avy nitoeran’ny menaka

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Actualités.Tsy afa-bela i Berija Naverina eny Tsiafahy

Omaly no nanatanterahana ny fitsarana an’i Berija ilay filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny Ankatso na CJUM. Naverina eny Tsiafahy indray anefa ny tenany miandry ny tena fitsarana azy izay voatondro ho amin’ny 29 janoary 2015 ho avy izao

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Actualités.AMBONIN’AMBOHIJATOVO Trano 3 no tsy maintsy horavana

Trano miisa telo na efatra miorina eny Ambonin’Ambohijatovo, ambonin’ny tunnel no tsy maintsy horavana ato ho ato raha araka ny fanambarana nataon’ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka omaly. Alana tsy misy hatak’andro ihany koa ireo fianakaviana ao anatiny hisorohana ny loza mety

Hamaky ny tohiny
FTT