• Alarobia 04 Febroary 2015
Actualités.Fiarovana ny filaminam-bahoaka Niasa avy hatrany ny tale vaovao i Mahajanga

Tsy mitsahatra mitady vahaolana ahafahana mandamina ny tsena sy ny fandridrana ny fifamoivozana ny Pds n’ny tanànan’i Mahajanga ary dia nametraka ny sampan-draharaha misahana ny filaminam-bahoaka. Arak’izay dia Randriniaina Bien Donné no voatondro hisahana io andraikitra io araka ny didy nivoaka eo anivon’ny kaomina ambonivohitra Mahajanga laharana 006-15/CU/MGA-AG

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 04 Febroary 2015
Actualités.Halatra menaka jirofo Navotsotra ilay zandary, sivily 2 mbola any am-ponja

Omaly atoandro no notsaraina tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Toamasina, ny raharaha nanenjehan’ny fitsarana ireto zandary 3 lahy miasa eo anivon’ny zandary misahana ny heloka be vava sy sivily iray mpiray tendro amin’izy ireo. Fanodinkodinana menaka jirofo nogiazan’ny fitsarana noho raharaha hifanolanan’ny depiote ny Mananara avaratra sy ireo mpandraharaha ao Soanierana Ivongo, noho ilay raharaha sambo nolazaina fa rendrika tao Soanierana Ivongo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 04 Febroary 2015
Actualités.Hari-karena Malagasy Tsy nihetsika tao anatin’ny 10 taona

Nandiso fanantenana hatrany ny tontolo ara-toekarena Malagasy tao anatin’ny 50 taona mahery niverenan’ny fahaleovantenany, araka ny tatitra fanadihadiana navoakan’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny volana jona 2013. Tena ambany ny hari-karena ary raha nahitana fisondrotany aza izany dia mitanila ny fitsinjarana ka tsy nisy akony tamin’ny fampihenana ny fahantrana

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 04 Febroary 2015
Actualités.Ibity - Antsirabe II Fiara be nosakanan’ny jiolahy

Asa na ankasom-parana na filam-baniny fa nosakanan’ny jiolahy mitam-piadiana ny fiarabe mpitatitra simenitra avy any amin’ny Holcim Ibity ny zoma alina lasa teo. Raha ny tatitra azo avy tany an-toerana dia niainga alina ity fiarabe ity ary toa efa nandrasan’ireo jiolahy ny fiaingany satria tsy mbola niala lavitra akory ny tanàna dia raikitra ny tora-bato variraraka niampy poa-basy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 04 Febroary 2015
Actualités.Ambanja Nihena 50% ny vidin’ny cacao

Nidina ho 1000 Ar ny kilaon’ny cacao any Ambanja raha 2000 Ar izany teo aloha. Nisy fihenany hatrany amin’ny 50% be izao. Izany fitotonganana izany dia vokatry faharatsian-dalana mampifandray ny renivohitry ny Distrikan’Ambanja amin’ireo Kaominina manodidina

Hamaky ny tohiny
  • Talata 03 Febroary 2015
Actualités.Fanamboarana ny Rovan’i Manjakamiadana Hanome 600 000 dolara i Japon

Noraisin'ny minisitry ny Kolontsaina sy ny Asa tanana, Brigitte Rasamoelina teny amin'ny trano fiasany teny Anosy omaly maraina ny masoivohon'i Japon monina sy miasa eto amintsika, Ryuhei Hosoya.

Hamaky ny tohiny
FTT